Manatanjaka Finoana sy Mampahery ny Tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine
ENJEHINA tsy misy hafa amin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. (Matio 10:22; Jaona 15:20) Vitsy ny toerana nahitana fanenjehana naharitra sy mafy toy ny tany Ukraine. Norarana nandritra ny 52 taona mantsy ny asa fitoriana ilay Fanjakana tany amin’io firenena io.
Miresaka ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra any Ukraine ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2002. Aseho ao ny finoana sy ny herim-po ary ny tanjaka nananan’izy ireo tao anatin’ny fisedrana faran’izay mafy. Ireto misy teny fankasitrahana vitsivitsy voarain’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine:
“Voavakiko hatramin’ny farany ny Diary 2002. Tsy tanako ny ranomasoko rehefa namaky momba ny asanareo eto Ukraine aho. Tiako ny hilaza aminareo fa tena nampahery ahy ny zotom-po fakan-tahaka sy ny finoana matanjaka nasehonareo. Tena faly aho satria anisan’ilay fianakavian’ny mpiray finoana misy anareo. Mankasitraka anareo amin’ny foko manontolo aho!”—Andrée, Frantsa.
“Tsy misy teny mahalaza ny haben’ny fankasitrahako anareo sy an’i Jehovah, noho ny Diary 2002. Nitomany aho rehefa namaky ny tantaran’ireo anadahy maro nalefa tany am-ponja sy tany amin’ny toby fitanana, nandritra ny fahatanorany manontolo. Tena mampiaiky ahy ny herim-pon’izy ireo. Efa 27 taona aho izao no Vavolombelona, nefa mbola afaka maka lesona avy amin’ireo anadahy sy rahavavy ireo. Nanatanjaka ny finoako an’i Jehovah Raintsika any an-danitra izy ireo.”—Vera, Iogoslavia teo aloha.
“Faly aho manoratra ity taratasy ity, satria fakan-tahaka ny fiaretanareo sy ny tsy fivadihanareo nandritra ireo taona rehetra nisian’ny fanenjehana. Hajain’ny olona ianareo satria natoky tanteraka an’i Jehovah sady tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy. Nanetry tena koa ianareo rehefa niaritra ireny fitsapana ireny, ka vao mainka aho miaiky fa tsy mandao ny vahoakany i Jehovah. Ohatra tsara ho anay ny herim-po sy ny tsy fivadihana ary ny faharetana nasehonareo, ka mora kokoa aminay ny miaritra ny zava-manahirana anay. Tena kely mantsy izy ireny raha oharina amin’ny anareo.”—Tuteirihia, Polinezia frantsay.
“Tsy maintsy nanoratra ho anareo aho, rehefa avy namaky ny Diary. Tena nampihetsi-po ahy ireo fitantarana mampahery voalaza ao. Afaka mirehareha aho satria anisan’ilay fandaminana tsy mivadika sy tafaray, tarihin’ilay Ray be fitiavana sy vonon-kanampy, izay manome antsika tanjaka amin’ny fotoana ilana izany. Nalahelo aho satria tena maro tamin’ireo mpanompon’i Jehovah be herim-po sy nazoto, no nijaly mafy na namoy ny ainy mihitsy aza. Faly koa anefa aho satria olona maro be no nanjary nianatra ny fahamarinana ka nahafantatra ilay Raintsika be fitiavana, noho ny herim-po sy ny fahazotoan’ireo mpanompon’i Jehovah ireo.”—Colette, Holandy.
“Tsy maintsy nanoratra ho anareo izahay mivady mba hilazana fa tohina ny fonay teo am-pamakiana ny tantaran’i Ukraine tao amin’ny Diary. Tena fakan-tahaka, ry rahalahy, ny tsy fivadihanareo sy ny fiaretanareo nandritra ireny fanenjehana naharitra sy fahoriana mafy ireny. Azo antoka fa tena faly i Jehovah, araka ny Ohabolana 27:11, satria fantany fa rahalahy nahatoky maro be tatỳ Ukraine no tsy nivadika mihitsy na dia teo aza ny asa ratsy rehetra nataon’ny Devoly.”—Alan, Aostralia.
“Nanganohano ny ranomasoko rehefa namaky momba ireo rahalahy atỳ Ukraine. Tena betsaka ny zavatra niaretan’izy ireo. Nogadraina, nampijalina, nampiharana tsindry hazo lena, ary nosarahina tamin’ny fianakaviany nandritra ny taona maro izy ireo. Tiako ny hilaza amin’ireo rahalahy rehetra mbola manompo eo anivon’ny fiangonanareo, fa tena tia sy mankasitraka azy ireo aho. Mahafaly ahy ny herim-pony sy ny tsy fivadihany. Fantatro fa ny fanahin’i Jehovah no nampahatanjaka azy ireo. Eo akaikintsika i Jehovah, ary te hanampy antsika izy.”—Sergei, Rosia.
“Nitomany aho rehefa namaky ny Diary 2002. Niresaka momba anareo ny rahavavy sy anadahy maro teo anivon’ny fiangonanay. Tena sarobidy ianareo. Tena faly aho satria anisan’ilay fianakaviamben’ny mpiray finoana misy anareo.”—Yeunhee, Korea Atsimo.
“Tena nihetsi-po aho rehefa namaky momba ny finoana sy ny fiaretana ary ny fitiavana tsy nivadika nasehonareo ho an’i Jehovah sy ny Fanjakany. Tsy tsaroanay indraindray fa sarobidy ny fahafahana anananay sy ny sakafo ara-panahy tondraka omen’i Jehovah. Tsy mba nanao toy izany anefa ianareo. Ny finoana fakan-tahaka nasehonareo, dia manampy anay hahatakatra fa hanome antsika ny hery hiatrehana ny karazam-pitsapana rehetra ilay Andriamanitsika, raha mifandray akaiky aminy isika.”—Paulo, Brezila.
“Afaka namaky ny tantaranareo tao amin’ny Diary 2002 aho. Tena nampihetsi-po ahy izy ireo, indrindra ilay tantara mampalahelo niainan’ny Rahavavy Lydia Kurdas. Niombom-pihetseham-po taminy aho.”—Nidia, Costa Rica.
“Vitako androany ny famakiana ny Diary 2002. Tena nanatanjaka ny finoako ilay izy. Tsy hohadinoiko mihitsy ilay fitantarana momba ireo Vavolombelona niahiahy an’ireo mpiandraikitra. Nianarako tamin’izany fa tsy tokony hiahiahy an’ireny mpiandraikitra ireny mihitsy aho. Misaotra indrindra! Sakafo ara-panahy mampahery iny fitantarana iny, ary manomana anay ho amin’izay fitsapam-pinoana mety hatrehinay.”—Leticia, Etazonia.
“Ankasitrahanay iny Diary tena tsara iny. Mpitory maro no sambany vao namaky ny asan’ireo rahalahintsika teto Ukraine, ka nampahery azy ireo izany. Maro no nampitombo ny asa fanompoany, indrindra ny tanora. Nisy nanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra na mpanampy. Nampahery ny rehetra ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavy nanompo an’i Jehovah nandritra ny fandrarana.”—Komitin’ny fanompoan’ny fiangonana iray, Ukraine.
Nampahery ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany tokoa ny tsy fivadihan’ny rahalahintsika tany Ukraine. Anisan’ny fomba tena tsara hanatanjahana ny finoana sy hiaretana bebe kokoa mandritra izao fotoan-tsarotra izao àry ny famakiana tsy tapaka ireo tantara mampahery mivoaka ao amin’ny Diary isan-taona.—Hebreo 12:1.