FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w03 1/7 p. 3
  • Tena Ilaina ny Fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Ilaina ny Fitiavana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Tiavo Ilay Andriamanitra Tia Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Inona no Dikan’ny hoe Tia Namana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Aoka Hampiorina Anao ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Tonga Hatraiza ny Fitiavanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
w03 1/7 p. 3

Tena Ilaina ny Fitiavana

MANGETAHETA fitiavana ny olona rehetra, na firy taona izy na firy taona, ary na inona na inona kolontsainy sy fiteniny, na fiaviany. Tsy sambatra izy, raha tsy afaka izany hetahetany izany. Nisy dokotera mpikaroka nilaza hoe: “Mety hankarary na hahasalama antsika ny fitiavana sy ny fifandraisana akaiky amin’ny hafa. Ireo koa no mety hampalahelo na hahasambatra antsika, ary hampijaly na hanamaivana ny fahoriantsika. Raha misy fanafody vaovao nanan-kery toy izany, dia ho nasain’ny dokotera rehetra eto amin’ny firenentsika nampiasa azy io ny marariny. Ho nanao tsirambina izay dokotera tsy ho nanao izany.”

Ny harena, ny fahefana, ny laza ary ny fanaovana firaisana anefa no antitranterina matetika ankehitriny, fa tsy ny fitiavana sy ny firaiketam-po ilain’ny olombelona. Ny fampitam-baovao sy ireo olona ataon’ity tontolo ity modely no tena iavian’izany. Maro ny mpanabe no manizingizina fa ny zava-bitanao sy ny toeranao eo amin’ny fiaraha-monina no amaritana hoe tafita ianao. Ekena aloha fa ilaina ny mianatra sy mampivoatra ny talenta. Ireo anefa ve no tokony hibahan-toerana, ka lasa tsy misy ny fotoana hiarahana amin’ny fianakaviana sy ny namana? Nandinika tsara ny olombelona ny mpanoratra fahiny iray, izay nahita fianarana. Nampitoviny tamin’ny “varahina maneno sy kipantsona mikarantsana” ny olona manan-talenta nefa tsy manam-pitiavana. (1 Korintiana 13:1) Mety ho lasa manankarena na ho malaza mihitsy ny olona toy izany, nefa tsy ho tena sambatra.

Mahafantatra tsara ny olombelona i Jesosy Kristy, sady tena tia azy ireo. Nataony votoatin’ny fampianarany ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Hoy izy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. . . . Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:37-39) Izay manaraka ireo teny ireo ihany no tena mpanara-dia an’i Jesosy. Noho izany, dia hoy izy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”​—Jaona 13:35.

Inona àry no hanampy antsika hanam-pitiavana amin’izao andro izao? Ahoana no hampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany hanam-pitiavana? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

[Sary, pejy 3]

Sarotra ny hanam-pitiavana eto amin’ity tontolo anjakan’ny fitiavan-karena ity

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara