FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w03 15/6 p. 32
  • Fombafomba Fotsiny sa Kolikoly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fombafomba Fotsiny sa Kolikoly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
w03 15/6 p. 32

Fombafomba Fotsiny sa Kolikoly?

FANAO’NY mpianatry ny oniversite sasany any Polonina ny manambatra vola hividianana fanomezana ho an’ny mpampianatra. Manantena izy ireo amin’izay fa hahazo naoty tsara rehefa manao fanadinana. Tsy mahagaga àry raha niatrika toe-javatra sarotra ny tanora kristianina iray atao hoe Katarzyna. Nisalasala izy hoe: “Hanome vola àry aho sa tsy hanome?” Nandresy lahatra azy toy izao ny mpiara-mianatra taminy: “Fomba fanao fotsiny ange izany e! Tsy ho matiantoka indrỳ fa mety hahazo tombony be, koa inona no hatahoran’indrỳ?”

Nilaza i Katarzyna hoe: “Ekeko fa nanome vola aho rehefa nanambatra vola ny mpianatra nandritra ny taom-pianarana voalohany. Tatỳ aoriana vao takatro fa fanaovana kolikoly izany, ary melohin’ny Baiboly.” Tsaroan’i Katarzyna ireo andinin-teny, izay mampiseho fa mankahala ny kolikoly i Jehovah. (Deoteronomia 10:17; 16:19; 2 Tantara 19:7) Hoy ihany izy: “Tsapako fa tena mora ny manaiky hotaomin’ny namana. Nieritreritra indray aho, ka tsy nandray anjara tamin’io fanao io intsony.” Naneso an’i Katarzyna ny mpianatra sasany, nandritra ireo telo taona farany. Hain’i Katarzyna anefa ny nanazava tamin’izy ireo fa tsy mandray anjara amin’ilay “fanomezana” izy, satria manaiky izay lazain’ny Baiboly.

Ampangain’ny sasany ho tia tena sy tsy tia miray hina koa i Katarzyna. “Tsy minamana amiko intsony ny ankizy sasany”, hoy izy. “Manaja ny fomba fihevitro anefa ny ankamaroany, ka faly aho.” Mampifanaraka ny fiainany andavanandro amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, ary fantatra ho iray amin’izy ireo i Katarzyna.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara