Fanontanian’ny Mpamaky
Afaka mamantatra ny eritreritry ny olona ve i Satana Devoly?
Toa tsy mahay mamantatra ny eritreritsika na i Satana na ny demoniany, kanefa tsy tena azontsika antoka tanteraka ny momba izany.
Diniho, ohatra, ireo anarana iantsoana an’i Satana izay manambara ny toetrany. Antsoina izy hoe Satana (Mpanohitra), Devoly (Mpanendrikendrika), Menarana (midika hoe Mpamitaka), Mpaka fanahy, ary Mpandainga. (Joba 1:6; Matio 4:3; Jaona 8:44; 2 Korintiana 11:3; Apokalypsy 12:9) Tsy misy amin’ireny anarany ireny ahitana hoe mahay mamantatra ny eritreritra izy.
I Jehovah Andriamanitra kosa anefa dia lazaina hoe “Mpamantatra ny fo.” (Ohabolana 17:3; 1 Samoela 16:7; 1 Tantara 29:17) Hoy ny Hebreo 4:13: “Tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo [anatrehan’i Jehovah]; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika.” Tsy mahagaga àry raha nomen’i Jehovah fahaizana mamantatra ny fo koa i Jesosy Zanany. Hoy i Jesosy, nitsangana tamin’ny maty: “Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra.”—Apokalypsy 2:23.
Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe mahay mamantatra ny saina sy ny fon’ny olona i Satana. Tena zava-dehibe ny fahafantarantsika izany. Manome toky antsika Kristianina mantsy ny apostoly Paoly fa ‘fantatsika ny hafetsen’i Satana.’ (2 Korintiana 2:11) Tsy tokony hatahotra àry isika hoe misy fahaizana mahagaga ananan’i Satana, nefa tsy fantatsika mihitsy.
Izany anefa akory tsy midika hoe tsy afaka mahita ny kilemantsika sy ny fahalementsika ilay Fahavalontsika. Efa nandinika ny fomba fiainan’ny olombelona nandritra ny taonjato maro i Satana. Tsy voatery hahay hamantatra ny eritreritsika izy vao hahalala ny fitondran-tenantsika, na hijery ny fialam-boly fanaontsika, na koa hihaino ny karazan-javatra resahintsika, sy ny toy izany. Mety ho hita amin’ny endrika sy ny fihetsika koa ny eritreritra sy ny fihetseham-po.
Amin’ny ankapobeny anefa, dia ireo fomba nampiasain’i Satana tany amin’ny zaridainan’i Edena ihany no mbola ampiasainy ankehitriny, izany hoe lainga sy fitaka ary fanazavana naolana na tsy ampy. (Genesisy 3:1-5) Tsy tokony hatahotra ny Kristianina hoe mety hahafantatra ny eritreriny i Satana, kanefa tokony hitandrina izy ireo amin’izay eritreritra tian’i Satana hampidirina ao an-tsain’izy ireo. Tiany mantsy ny Kristianina ho “vetaveta saina”, ka ataony izay hanakonana ny fahamarinana. (1 Timoty 6:5) Tsy mahagaga raha be dia be ny fanazavana sy fialam-boly mampirisika ny olona haloto fitondran-tena eto amin’ny tontolon’i Satana. Raha te hanohitra izany fanafihana izany ny Kristianina, dia tsy maintsy miaro ny sainy, ka mandray “ny famonjena ho fiarovan-doha.” (Efesiana 6:17) Mila mameno ny sainy amin’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly àry izy ireo, sady mandà izay fitaoman-dratsy rehetra avy amin’ny tontolon’i Satana.
Fahavalo mahery i Satana, kanefa isika tsy tokony hatahotra loatra azy na ireo demoniany. Manome toky antsika ny Jakoba 4:7 hoe: “Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” Raha manaraka io torohevitra io isika, dia ho afaka hilaza toa an’i Jesosy hoe tsy manam-pahefana amintsika i Satana.—Jaona 14:30.