Fanampiana ny Olona Hanaraka Fitsipi-pitondran-tena Tsara
Nahare izao fanambarana izao izay nihaino ny radiom-pirenen’i Mozambika, tamin’ny faramparan’ny taona 2001:
“Nitsidika ny tranon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Maputo ny prezidàn’ny Repoblika. Nampirisika an’io fikambanana ara-pivavahana io izy mba hampitombo ny ezaka ataony. Tsy inona moa izany ezaka izany fa ny fanampiana fianakaviana hanaraka fitsipi-pitondran-tena tsara, sy ny fanabeazana olon-dehibe amin’ny alalan’ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra. Olona 10 000 eo ho eo izao no efa nandray soa tamin’io fandaharana io. Mendri-koderaina ny fandaharana toy izany, araka ny Prezidà Chissano. Mitondra fanampiana sarobidy ho an’ny fiaraha-monina mantsy izany, satria mamaha ny olana mbola atrehin’ity firenena ity eo amin’ny lafiny fanabeazana.”
Ampahany tamin’ny lahatenin’ilay prezidà no nalefa avy eo. Hoy izy: “Tena nampahery anay ny nahita olona maro mahatakatra fa zava-dehibe ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Hitanay amin’izany fa hisy olom-pirenena tsotra hanampy anay hampitombo ny isan’ny olona mahay mamaky teny sy manoratra. Mampirisika ny Vavolombelon’i Jehovah aho, noho izany, mba hanitatra io fandaharam-pampianarana io, na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona. Ny tena zava-dehibe dia ny hahaizan’ny olona mamaky teny sy manoratra, ny hanamora kokoa ny fifampiresahan’izy ireo, ary ny handraisany anjara bebe kokoa amin’ny fanabeazana ny hafa amin’ny hoavy.”
Manana kilasy 850 fianarana mamaky teny sy manoratra ny Vavolombelon’i Jehovah, eran’i Mozambika. Manampy ny olona hamaky samirery ny Tenin’Andriamanitra izy ireo amin’izany. Mitsidika olona 50 000 eo ho eo isan-kerinandro koa izy ireo ary mampianatra Baiboly azy ireo maimaim-poana. Izany rehetra izany dia anisan’ny fandaharam-pampianarana Baiboly maneran-tany, atao any amin’ny tany 235. (Matio 24:14) Afaka mandray soa avy amin’io fandaharana io koa ianao. Aza misalasala manatona ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao.