FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w02 1/10 p. 32
  • Olona ‘Tsy Mivaky Loha’ ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olona ‘Tsy Mivaky Loha’ ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
w02 1/10 p. 32

Olona ‘Tsy Mivaky Loha’ ve Ianao?

METY hieritreritra ny ankamaroan’ny olona fa tsara izany heverina hoe tony sy malala-tsaina izany. Ampifanoherin’ny Baiboly amin’ireo toetra ireo anefa ny hoe tsy mivaky loha, ka hoy izy: “Ny fiadanan’ny adala handringana azy.” (Ohabolana 1:32) Inona no dikan’izany?

Ny teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe “fiadanana” eo amin’io andininy io, dia midika hoe “tsy miraharaha” (Dikan-teny Amerikanina), “afa-po loatra amin’ny tena” (Ny Baiboly Amerikanina Vaovao), ary “tsy miraika.” (Ny Baiboly Anglisy Vaovao) Mifandray amin’ny hakamoana sy ny tsy firaharahana àry eo ny hoe “fiadanana” na hoe ‘tsy mivaky loha’, ka ahitana taratry ny hadalana.

Tsy niraharaha na tsy niraika tamin’ny kilemany ara-panahy ny Kristianina tany amin’ny fiangonan’i Laodikia, tamin’ny taonjato voalohany. Afa-po loatra tamin’ny tenany izy ireo ka nirehareha hoe ‘tsy nanan-java-mahory.’ Nahitsin’i Jesosy Kristy izy ireo, ka nangatahiny mba hazoto indray.—Apokalypsy 3:14-19.

Tsy nivaky loha toy izany koa ny olona tamin’ny andron’i Noa. Variana tamin’ny fiainana andavanandro izy ireo. “Nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, . . . ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra.” Hoy i Jesosy: “Dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona” na ny fanatrehany.—Matio 24:37-39.

Asehon’ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa efa manatrika ny Zanak’olona, dia i Jesosy Kristy. Enga anie isika tsy hanjary ho afa-po loatra amin’ny tenantsika ka tsy hiraika na tsy hiraharaha, izany hoe tsy hivaky loha.—Lioka 21:29-36.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara