Fotoana Ilazana Tsiambaratelo
Mety hampihavana na hampiady ny fitanana tsiambaratelo sasany. Kanefa, misy fotoana tokony hilazana tsiambaratelo ve? Mariho izao tenin’i Amosa mpaminany momba ny Andriamaniny izao: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” (Amosa 3:7) Azontsika andraisana lesona momba ny fitanana tsiambaratelo ireo teny ireo. Mety hitana tsiambaratelo sasany mandritra ny fotoana kelikely i Jehovah, ary avy eo dia hilaza izany amin’olona sasany. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah amin’io lafiny io?
Indraindray dia hitan’ireo anti-panahy voatendry eo anivon’ny fiangonana kristianina fa mahasoa ny tsy mampahafantatra raharaha iray. (Asan’ny Apostoly 20:28) Mieritreritra izay hahasoa ny fiangonana izy ireo, ohatra, ka mety hanapa-kevitra ny hitana zavatra sasany ho tsiambaratelo mandritra ny fe-potoana iray. Angamba izany zavatra mifandray amin’ny fandaharana na fanovana eo amin’ny fiandraiketana.
Amin’izay anefa dia tsy maintsy ampahafantarina ireo tafiditra amin’ilay raharaha raha holazaina ilay izy na tsia, sy hoe rahoviana no hilazana ilay izy ary amin’ny fomba ahoana. Hanampy azy ireo hitana tsiambaratelo ny fahafantarany ny fotoana hilazana ilay raharaha amin’ny olona rehetra.—Ohabolana 25:9.