FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w02 15/5 p. 32
  • Takatrao ve ny Fitiavan’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Takatrao ve ny Fitiavan’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
w02 15/5 p. 32

Takatrao ve ny Fitiavan’Andriamanitra?

NILAZALAZA ny toe-piainan’ny olombelona tsy lavorary toy izao i Joba: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.” (Joba 14:1, 2) Tsapan’i Joba fa feno fahoriana sy alahelo ny fiainana. Efa mba nahatsapa toy izany koa ve ianao?

Manana fanantenana azo antoka anefa isika, na dia eo aza ny zava-tsarotra sy ny olana rehetra mety hatrehintsika. Mifototra amin’ny fangoraham-pon’Andriamanitra sy ny fitiavany io fanantenana io. Voalohany indrindra, dia nanome ny sorom-panavotana ny Raintsika be famindram-po any an-danitra, mba hanafahana ny olombelona amin’ny ota. Nilaza toy izao i Jesosy Kristy ao amin’ny Jaona 3:16, 17: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao [ny olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.”

Diniho koa ny hatsaram-panahy asehon’Andriamanitra amintsika olombelona tsy lavorary. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.” (Asan’ny Apostoly 17:26, 27) Eritrereto ange ny dikan’izany ho antsika e! Mbola afaka mifandray manokana amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika be fitiavana, ihany isika, na dia olombelona tsy lavorary aza.

Afaka mibanjina ny hoavy amin-toky àry isika, satria fantatsika fa tia antsika Andriamanitra ka miahy izay hahasoa antsika maharitra. (1 Petera 5:7; 2 Petera 3:13) Azo antoka fa tena vonona hianatra bebe kokoa momba ilay Andriamanitsika be fitiavana isika amin’ny alalan’ny Teniny, dia ny Baiboly.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara