“Any Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Mihaona”
“Ho an’i Rupert, namako tsy foiko! Voaheloka ho faty aho androany. Aza malahelo noho ny amiko. Tia anao sy ianareo rehetra ao an-trano aho. Any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihaona.”
FOTOANA fohy talohan’ny nitifiran’ny miaramila nazia azy, tamin’ny 8 Jona 1942, no nanoratan’i Franc Drozg an’ireo teny ireo. Nahoana izy no notifirina?
Tsy nety nirotsaka ho Wehrmannschaft, mpanampy ny andia-miaramila alemà izay nifehy an’i Slovenia, io lehilahy 38 taona, mpanefy vy, io, araka ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Tranombakoka Momba ny Fanafaham-pirenena, any Maribor, Slovenia. Izy dia Bibelforscher, na Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay faritra tamin’izany. Tsy nanohana ny adin’ny Nazia izy, satria nankatò ny Isaia 2:4. Nilaza ny tenany ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa izy.—Matio 6:33.
Fantatra ho mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra be zotom-po i Franc tany Ptuj, tanàna niaviany. (Matio 24:14) Tsy nitsahatra nitory mihitsy izy, mandra-pisambotra azy tamin’ny May 1942, na teo aza ny zava-tsarotra maro.
Vavolombelon’i Jehovah maro tany Slovenia no nenjehin’ny Nazia mafy. Anisan’ny notifirina voalohany noho ny finoany i Franc. Nanatanjaka azy, toy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ireto teny ireto: “Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 14:22) Nino izy fa tena misy io fitondram-panjakana any an-danitra io araka ny teniny farany hoe: “Any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihaona.”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Franc Drozg: Photo Archive-Museum of National Liberation Maribor, Slovenia; letter: Original kept in Museum of National Liberation Maribor, Slovenia