FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w01 1/10 p. 19
  • Fitoriana Amin’ireo Tsy Tratra An-trano

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitoriana Amin’ireo Tsy Tratra An-trano
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fitarihana Ireo Mpianatra ho Amin’ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarantsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Fitaovana Izay Mampianatra sy Mandrisika ary Manatanjaka
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Novalian-tsoa ny Fahasahiany
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
w01 1/10 p. 19

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Fitoriana Amin’ireo Tsy Tratra An-trano

MIEZAKA mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mila miezaka mafy izy ireo indraindray mba hahafahany hitory amin’ireo tsy tratra an-trano. (Marka 13:10) Mitantara ny ezaka nataony ny mpisava lalana manokana iray any Amerika Atsimo.

“Nandre aho indray andro fa hitsidika ny faritany nanendrena anay mivady ny governora. Tena isan’ny olona tsy tratra an-trano izy. Nanoratra taratasy tany aminy àry aho, ary nasiako boky sy gazety maromaro niaraka taminy, anisan’izany ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? sy ilay boky hoe Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona (frantsay) ary ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nohazavaiko tao amin’ilay taratasy ny antony namoahana ny tsirairay tamin’ireo boky ireo.

“Nangataka ny hihaona tamin’ilay governora aho, satria tiako ho fantatra ny heviny momba ireo boky ireo. Afaka nihaona taminy aho, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nentiko ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah—Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Naharitra adiny roa ny resakay. Rehefa avy nijery ilay vidéo izahay, dia nanontaniako ny heviny momba ilay izy. Hoy izy: ‘Tsy misy fandaminana toy ny anareo eto an-tany. Raha mba nanana olona toa anareo mantsy aho hanampy ahy hamita ny tetik’asan’ny governemantako!’ Nanontany ahy izy avy eo raha efa tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny fikambanantsika any Brooklyn, New York, aho. Nolazaiko taminy fa mbola tsy afaka nankany aho, na dia efa naniry izany aza, fony aho vao 14 taona. Isan’ny tanjona sarotra tratrarina izany. Nibanjina ahy vetivety izy ary nilaza fa naniry hanampy ahy hanatratra io tanjona io. Nikarakara ny taratasy rehetra nilainay izy ary niantoka ny saran’ny fiaramanidina!

“Mandray tsy tapaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ilay governora ankehitriny. Manantena izahay fa tsy ho ela dia hianatra Baiboly miaraka aminay izy.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara