FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w01 1/9 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?
    Mifohaza!—2006
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Torohevitra tsara dia tsara ho an’ny tanora
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
w01 1/9 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Izao no lazain’ny Kolosiana 1:16 momba ny Zanak’Andriamanitra: “Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany.” Nahoana no lazaina fa noforonina ho an’i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, ny zavatra rehetra?

Nampiasain’i Jehovah ho mpità-marika ny Zanany lahitokana, mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra, izany hoe ny zavatra hafa rehetra ankoatra an’i Jesosy. (Ohabolana 8:27-30; Jaona 1:3) Faly amin’ireny asa ireny ny Zanaka, ka izay no tiana holazaina amin’ilay hoe natao “ho Azy” izy ireny.

Fantatsika fa maniry ny ho faly amin’ny zanany ny olona, ary matetika no tanteraka io faniriana io. Miresaka momba ny ‘zanaka tian-drainy’, ohatra, ny ohabolana ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 3:12; 29:17) Nahafaly an’i Jehovah Andriamanitra koa ny Isiraely vahoakany rehefa nahatoky. (Salamo 44:3; 119:108; 147:11) Mahafaly azy koa ny tsy fivadihan’ny mpanompony amin’izao andro izao.​—Ohabolana 12:22; Hebreo 10:38.

Noho izany, dia rariny raha navelan’i Jehovah hahita fifaliana tamin’ny zava-bitany i Jesosy, mpiara-miasa taminy. Lazain’ny Ohabolana 8:31 tokoa fa ‘nahafaly ny Zanaka ny tany nataony honenana, ary naharavoravo azy ny zanak’olombelona.’ Izany no hevitry ny Kolosiana 1:16, manao hoe: “Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara