FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w01 1/3 p. 3-4
  • Afaka ny ho Tena Sambatra ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka ny ho Tena Sambatra ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Te ho Sambatra ny Olona
    Mifohaza!—2018
  • Sambatra Izay Manompo An’ilay “Andriamanitra Falifaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Ny Fahasambarana Marina eo Am-panompoana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Momba ny Fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
w01 1/3 p. 3-4

Afaka ny ho Tena Sambatra ve Ianao?

NITSIKY i George, niarahaba ny rehetra. Taminy, dia fanomezana sarobidy tokony hankafizina ny fiainana. Toetra nampiavaka azy ny fahasambarany sy ny fijereny ny lafy tsaran-javatra​—ary vao mainka nisongadina ireo toetrany ireo, rehefa nanomboka nahatsapa ny fanaintainana vokatry ny fahanterana izy. Mandra-pahafatiny, dia fantatra ho olona sambatra foana i George. Moa ve ianao sambatra toa azy? Mihevitra ny andro vaovao tsirairay ho fanomezana tokony hankafizina ve ianao? Sa kosa tsy miraika ianao, eny, manahy mihitsy aza, rehefa mieritreritra ny andro vaovao iray? Misy zavatra misakana anao tsy ho sambatra ve?

Ny atao hoe fahasambarana dia ny fahatsapana fifaliana, azo atao hoe maharitra. Mampiavaka azy io ny fihetseham-po toy ny fahafaham-po, hatramin’ny fahatsapana fifaliana lalina, ary ny faniriana voajanahary ny hitohizan’izany. Misy tokoa ve ny fahasambarana toy izany?

Ankehitriny, dia ampirisihin’ny fiaraha-monina ny olona hihevitra fa ho sambatra izy ireo, raha manankarena. Olona an-tapitrisany maro no mihazakaza-dava, mitotototo mitady harena. Afoin’izy ireo amin’izany ny fifandraisany amin’ny hafa, ary koa ireo zava-dehibe hafa eo amin’ny fiainana. Toy ny vitsika eo an-dava-bitsika izy ireo, mihazakaza-dava atsy sy aroa, ary tsy manam-potoana firy hisaintsainana na tsy manam-potoana firy ho an’ny hafa. Tsy mahagaga raha “mitombo hatrany ny isan’ny olona nolazain’ny dokotera fa ketraka”, hoy ny tatitra iray nataon’ilay gazety hoe Los Angeles Times, “ary mbola tanora kokoa ny olona dia efa tratran’ny [fahaketrahana]. (...) Ny fanafody manalefaka fahaketrahana no fanafody be mpividy indrindra”. Olona an-tapitrisany maro no mampiasa zava-mahadomelina, na miezaka hanadino ny zava-manahirana azy amin’ny alalan’ny toaka. Ny sasany mandanilany vola be, rehefa mahatsiaro ho ketraka. Nasehon’ny fanadihadiana iray fa “ny vehivavy no mirona indrindra hanaram-po amin’ny fiantsenana ho fanamaivanana”, hoy ilay gazety britanika hoe Ilay Mpiambina (anglisy). “Azo inoana fa avo telo heny noho ny isan’ny lehilahy mandeha miantsena rehefa ketraka, ny isan’izy ireo.”

Tsy eny amin’ny fivarotana, na amin’ny toaka, na ao amin’ny fanafody, na tsindrona, na kaonty any amin’ny banky, anefa no ahitana ny tena fahasambarana. Tsy amidy ny fahasambarana, fa maimaim-poana. Aiza no ahitantsika izany fanomezana sarobidy izany? Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara