FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w01 1/2 p. 32
  • ‘Famelombelomana ho An’ny Foitranao’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Famelombelomana ho An’ny Foitranao’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
w01 1/2 p. 32

‘Famelombelomana ho An’ny Foitranao’

VOALAZA fa maro be amin’ny aretin’ny olombelona no ateraky ny fihenjanana ara-pihetseham-po, toy ny tahotra, ny alahelo, ny fitsiriritana, ny fahasosorana, ny fankahalana ary ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Rehefa heverina izany, dia tena mitondra fampiononana mihitsy ilay filazan’ny Baiboly hoe “famelombelomana [ho an’ny foitranao, NW ] sy fanamandoana ny taolanao” ny ‘tahotra an’i Jehovah’!​—Ohabolana 3:7, 8.

Ny taolana no rafitra manohana ny vatana. Noho izany, dia ampiasain’ny Baiboly an’ohatra ny teny hoe ‘taolana’ mba hanondroana ny olona​—indrindra fa rehefa manana fihetseham-po lalina izy. Amin’ny ahoana anefa ny tahotra an’i Jehovah no ‘famelombelomana ho an’ny foitranao’?

Tsy mitovy hevitra ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly, raha ny amin’ny firesahana momba ny ‘foitra’ eto amin’ity andinin-teny ity. Milaza ny lehilahy iray mpanazava teny fa “faritra eo afovoan’ny vatana” izy io, ka angamba mampiseho ireo taova lehibe rehetra ny hoe ‘foitra’. Araka ny manam-pahaizana hafa iray, dia mety hanondro ny tadim-poitra ny teny hoe ‘foitra’ eto, toy ny ampiasana azy ao amin’ny Ezekiela 16:4. Raha izany no izy, dia manantitrantitra angamba ny Ohabolana 3:8 fa mila miankina tanteraka amin’Andriamanitra isika​—mitovy amin’ny tsaika iray tsy afaka miaro tena izay miankina tanteraka amin’ny reniny mba hahazoana sakafo. Misy koa mihevitra fa angamba manondro ny nofo aman-kozatry ny vatana ny hoe ‘foitra’. Raha jerena ny teny manodidina io andinin-teny io, dia angamba ampifanoherina amin’ny ‘taolana’​—ilay tapany mafy kokoa amin’ny vatana​—ireo tapany amin’ny vatana ireo.

Na inona na inona hevitra manokana fonosin’ilay teny, dia izao no azo antoka: Fahendrena ny maneho tahotra miharo fanajana ara-pivavahana an’i Jehovah. Anisan’ny mety hahazoantsika fahasalamana tsara dieny ankehitriny ny fanarahana ny fari-pitsipik’Andriamanitra. Mihoatra noho izany, fa mety hahazoantsika sitraka avy amin’i Jehovah izany, ka izany indray kosa dia hitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tonga lafatra​—ara-batana sy ara-pihetseham-po​—ao amin’ilay tontolony vaovao ho avy.​—Isaia 33:24; Apokalypsy 21:4; 22:2.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Dr. G. Moscoso/SPL/Photo Researchers

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara