Fiadanana Maneran-tany—Amin’ny Fomba Ahoana?
MANANGASANGA eny am-paravodilanitra ve ny fiadanana maneran-tany? Maro no nihevitra toy izany teo aloha nefa be fisalasalana kosa ankehitriny. Araka ny tatitra iray miresaka ny amin’ireo zava-tsarotra momba ny hoavintsika, navoakan’ny Daily Mail & Guardian atsy Afrika Atsimo, “dia toa hita ankehitriny fa diso nijery lafy tsaran-javatra loatra ireo filazana mialoha natao ny amin’ny hisian’ny rafitra vaovao iraisam-pirenena, na dia vao folo taona monja aza izay no nanaovana izany filazana mialoha izany”.
Mieritreritra ny amin’ilay toe-tsaina feno fanantenana nanjaka vao folo taona lasa izay, ireo mpanoratra. Vao nifarana ny Ady Mangatsiaka, ary tsy nisy ady intsony teo amin’ireo firenena faran’izay matanjaka. Teo amin’izay toa fiandohan’ny vanim-potoana vaovao iray, dia maro no nanantena fa hanomboka hanao fandrosoana lehibe ny olombelona eo amin’ny fiatrehana ny fahantrana sy ny aretina ary ny tontolo iainana. “Toa hita ho nofinofy tsy ho tanteraka, ankehitriny, ireny filazana mialoha ireny”, hoy ilay tatitra. “Nisy fifandonana vaovao nipoaka tany amin’ireo faritra izay zara raha fantatsika akory; mitombo hatrany ny fahantrana eo amin’izao tontolo izao. Misy firenena roa vaovao manana fitaovam-piadiana niokleary. Nihalefy izaitsizy ny lazan’ny ONU, satria tsy ampy ny zavatra nataony teo anoloan’ireo krizy misesy atrehin’ny olombelona. Mivadika ho nofy ratsy ilay nofinofy teo aloha.”
Takatry ny mpianatra ny Baiboly fa na dia mendri-kaja toy inona aza ny fiezahan’ny olombelona, dia tsy afaka ny hahomby amin’ny fomba feno na oviana na oviana. Nahoana? Satria “izao tontolo izao (...) mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, araka ny lazain’ny Baiboly. (1 Jaona 5:19). Tsy afaka ho tonga amin’ilay toe-piainana paradisa izay namoronan’Andriamanitra azy izao tontolo izao, raha mbola eo ambanin’ny fifehezan’i Satana koa.
Etsy an-danin’izany, dia misy antony tokony hijerena lafy tsaran-javatra. Mampanantena ny hitondra fiadanana maneran-tany i Jehovah Andriamanitra, tsy amin’ny fanamboamboarana ity fandehan-javatra ity akory, fa amin’ny fanorenana kosa “tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. (2 Petera 3:13). Eny, amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hovana ho fonenana miadana sy sambatra ny gilaobintsika, ka amin’izay ny fiainana sy ny asa atao dia ho fifaliana lalandava ho an’ny olombelona rehetra mpankatò. Fanampin’izany, dia mampanantena Andriamanitra fa “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason[’izy ireo]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. Tsy miorina amin’ny filazana mialoha tsy azo antoka ataon’ny olona akory ireo fampanantenana ireo. Miorina kosa amin’ny Teny tsy mety dison’ilay Mpamorona tsy mahay mandainga, izy ireo. — Apokalypsy 21:4; Titosy 1:2.