FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w00 1/10 p. 32
  • Malina ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Malina ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
w00 1/10 p. 32

Malina ve Ianao?

REHEFA nanendry mpitsara teo amin’ny Isiraely i Mosesy, dia niezaka mafy mba hahita “lehilahy hendry sy [malina ary za-draharaha, NW]”. (Deoteronomia 1:13). Tsy ny fahazaran-draharaha, izay tonga arakaraka ny fitomboan’ny taona akory no hany fepetra notakina. Zava-dehibe koa ny fahendrena sy ny fahamalinana.

Mampiseho fahaiza-mitsara zavatra, eo amin’ny teny sy ny fitondran-tena, ny olona iray malina. Araka ny Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary, dia “afaka mihazona fanginana feno fitandremana” koa ny olona malina. Eny, misy “ny andro itenenana” ary misy “ny andro anginana”, ary takatry ny olona malina ny fahasamihafan’izany. (Mpitoriteny 3:7). Matetika dia misy antony marim-pototra tokony hanginana, satria, hoy ny Baiboly: “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no [malina, NW].”​—Ohabolana 10:19.

Miezaka mafy mba ho malina ny Kristianina eo amin’ny fifampiraharahany amin’izy samy izy. Tsy izay miteny matetika indrindra na amin-kery indrindra foana akory no lehibe indrindra na tena ilaina indrindra. Tadidio fa i Mosesy dia “nahery tamin’ny teniny”, kanefa tsy afaka nitarika tamim-pahombiazana ny firenen’ny Isiraely izy, raha tsy namboly faharetana sy fahalemem-panahy ary fifehezan-tena. (Asan’ny apostoly 7:22). Noho izany, ireo izay nomena fahefana eo amin’ny hafa indrindra indrindra no tsy maintsy miezaka mafy mba hihevi-tena araka ny antonony sy hampiseho toe-tsaina manaiky hilefitra.​—Ohabolana 11:2.

Ireo izay nanankinan’i Jesosy Kristy “ny fananany rehetra” dia lazalazaina fa “mahatoky sy malina”, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 24:45-47, NW). Tsy taitaitra ta hanao izay tiany, ka hialoha an’i Jehovah noho ny tsy fiheveran-tena araka ny antonony izy ireo, sady tsy hitaredretra rehefa mazava ny fitarihan-dalana avy amin’i Jehovah momba ny raharaha iray. Fantany ny fotoana tokony hitenenana sy ny fotoana tokony hiandrasana fanazavana misimisy kokoa amim-panginana. Fahendrena ho an’ny Kristianina rehetra ny sady manahaka ny finoan’izy ireo, no miseho ho malina, toy ny ataon’ny fitambaran’ny mpanompo.​—Hebreo 13:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara