FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w00 15/7 p. 3-4
  • Afaka ny Hisy Heviny Kokoa ve ny Fiainanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka ny Hisy Heviny Kokoa ve ny Fiainanao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Vola sa Aina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?
    Mifohaza!—2015
  • Mahasoa ny Mikatsaka Harena Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
w00 15/7 p. 3-4

Afaka ny Hisy Heviny Kokoa ve ny Fiainanao?

TSY araka izay voasoratra eo ivelany foana akory ny tena sandan’ny vola. Ny vola taratasy ambony vidy indrindra navoaka tany Etazonia dia nanana sanda 10 000 dolara. Kanefa, tsy misy vidiny firy ny taratasy nanaovana pirinty azy io.

Efa mba nanontany tena ve ianao raha afaka tena mampisy heviny ny fiainanao ny taratasy kely izay tsy misy vidiny firy amin’ny maha taratasy azy? Olona maro no mihevitra fa izany no izy. An-tapitrisany maro no miasa andro aman’alina mba hahazoana vola betsaka araka izay azony atao. Ny fitadiavam-bola tafahoatra indraindray dia mahatonga ny olona hanao sorona ny fahasalamany sy ny namany ary na dia ny fianakaviany mihitsy aza. Mba hahazoana inona? Moa ve ny vola​—na izay vidintsika aminy​—afaka mitondra tena fahafaham-po maharitra?

Araka ny mpikaroka, arakaraka ny itadiavantsika fahafaham-po ao amin’ny fananana ara-nofo, no tsy hahitantsika azy. Nanatsoaka hevitra i Alfie Kohn, mpanao gazety, fa “tsy natao hamidy ny fahafaham-po. (...) Hahita fanahiana sy fahakiviana be tsy toy ny mahazatra, no sady tsy hahita fahasambarana firy, ny olona izay manao ny fananam-be ho loha laharana eo amin’ny fiainana”.​—International Herald Tribune.

Na dia mety hahatakatra aza ny mpikaroka fa mitaky zavatra hafa ankoatra ny vola ny fananana fiainana misy heviny, dia olona maro no tsy mitovy hevitra amin’izany. Tsy mahagaga velively izany, satria mety ho tototry ny dokam-barotra mahatratra hatramin’ny 3 000 isan’andro ireo izay mipetraka any amin’ny tany tandrefana. Na fanaovana dokam-barotra fiara izany na vatomamy, dia toy izao no hevitra fototra: ‘Vidio io entam-barotra io, dia ho sambatra kokoa ianao.’

Inona no vokatry ny fampirisihana tsy an-kijanona hihevitra ny zavatra ara-nofo ho sarobidy? Iniana tsy jerena matetika ny zavatra ara-panahy! Araka ny tatitra iray tao amin’ny gazetiboky Newsweek, vao haingana ny arsevekan’i Cologne, any Alemaina, no nilaza fa “tsy foto-dresaka intsony Andriamanitra eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika”.

Angamba ianao nanokana saika ny herinao rehetra mba hameloman-tena. Mety hahatsiaro ho tsy manam-potoana firy hanaovan-javatra hafa ianao. Mety hahatsapa anefa ianao indraindray fa tsy maintsy misy zavatra hafa eo amin’ny fiainana, ankoatra ny fanaovan-javatra dridralava tsy misy farany, mandra-pifaran’izany, noho ny fahasalamanao na ny fandroson’ny taonanao.

Afaka mitondra fahafaham-po be dia be ho anao ve ny fanisiana fiheverana bebe kokoa ny zavatra ara-panahy? Inona no hampisy heviny kokoa ny fiainanao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara