Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Nahafantatra An’ilay Andriamanitra Fitiavana
TEO amin’ny faha-16 taonany, dia efa diso fanantenana tamin’ny fiainana sahady ny Brezilianina iray, antsoina hoe Antônio. Nitarika azy hidoroka zava-mahadomelina sy ho za-dratsy niboboka zava-pisotro misy alkaola, ny fahatsapany tena ho tsy nisy nilana azy. Matetika izy no nieritreritra ny hamono tena. Tamin’ireny fotoana ireny, dia tadidiny izay nolazain-dreniny taminy, manao hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8). Taiza anefa izany Andriamanitra fitiavana izany?
Mba hanarenana ny tenany tsy ho andevozin-javatra, dia nitady fanampiana tany amin’ny mompera tao amin’ilay paroasy teo an-toerana i Antônio. Na dia lasa nazoto be tao amin’ny Eglizy Katolika aza i Antônio, dia mbola nanana fanontaniana maro be ihany izy. Nanitikitika azy, ohatra, ireo tenin’i Jesosy hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Karazana fahafahana manao ahoana no nampanantenain’i Jesosy? Tsy afaka nanome valiny nahafa-po tamin’ireo fanontaniany ny eglizy. Tamin’ny farany, dia niala i Antônio ary niverina tamin’ny fahazarany teo aloha. Raha ny marina, dia vao mainka nandevozin’ny zava-mahadomelina sy ny alkaola izy.
Tokotokony ho tamin’io fotoana io, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Maria, vadin’i Antônio. Na dia tsy nanohitra ny fianarany aza i Antônio, dia nanilika ireo Vavolombelona ho toy “ny fivavahana amerikanina mampandroso ny tombontsoan’ny imperialisma amerikanina” izy.
Tsy kivy anefa i Maria. Tao an-trano, dia napetrapetrany tetsy sy teroa ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izay nanasongadina lahatsoratra noheveriny fa nety ho nahaliana an’i Antônio. Koa satria tia namaky teny i Antônio, dia nanao topy maso tsindraindray an’ireo gazety izy rehefa tsy tao ny vadiny. Sambany teo amin’ny fiainany izy vao nahita ny valin’ireo fanontaniany momba ny Baiboly. “Nanomboka voamariko koa ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy nasehon’ny vadiko sy ireo Vavolombelona tamiko”, hoy ny tsaroany.
Teo antenatenan’ny taona 1992, dia nanapa-kevitra ny hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany koa i Antônio. Mbola nanohy nidoroka zava-mahadomelina sy nisotro be ihany anefa izy. Indray alina be izay, rehefa teny an-dalana hody avy tany amin’ny faritanàna feno trano tsizarizary izy sy ny namany iray, dia nosakanan’ny polisy. Rehefa nahita zava-mahadomelina tany amin’i Antônio ireo polisy, dia nanomboka nikapoka azy. Natsipin’ilay polisy anankiray tao anaty fotaka izy ary nataony teo akaikin’ny tarehiny ny vava basy. “Vitao ny aminy!”, hoy ny fihiakan’ireo polisy hafa.
Raha mbola nivalampatra tao anaty fotaka i Antônio, dia nitamberina tao an-tsainy ny fiainany. Ny hany zavatra tsara mba tadidiny dia ny fianakaviany sy i Jehovah. Nivavaka fohy izy, nitalaho ny fanampian’i Jehovah. Toa tsy hita izay antony fa navelan’ny polisy izy. Lasa nody izy, ary niaiky fa niaro azy i Jehovah.
Nanomboka nianatra ny Baiboly tamim-pahavitrihana indray i Antônio. Nanao fiovana tsikelikely izy mba hampifaliana an’i Jehovah. (Efesiana 4:22-24). Tamin’ny fambolena fifehezan-tena, dia nanomboka nandray fepetra nahakasika ireo olana nateraky ny zava-mahadomelina izy. Na izany aza, dia nila fanampian’ny mpitsabo izy. Ireo roa volana laniny tany amin’ny hopitaly fanarenana mpidoroka zava-mahadomelina dia nanome azy fahafahana hamaky zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly maromaro, anisan’izany ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Avy eo, dia noresahin’i Antônio tamin’ny marary hafa ny zavatra nianarany avy tao amin’ireny boky ireny.
Nanohy ny fianarany Baiboly niaraka tamin’ireo Vavolombelona i Antônio taorian’ny nivoahany ny hopitaly. Ankehitriny, i Antônio, sy i Maria, ary ireo zanany roa vavy, mbamin’ny renin’i Antônio, dia fianakaviana sambatra sy tafaray izay miara-manompo an’i Jehovah. Hoy i Antônio: “Takatro izao ny tena hevitr’ilay teny hoe ‘Andriamanitra dia fitiavana.’”
[Sary, pejy 8]
Mitory ao Rio de Janeiro