FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w00 1/5 p. 32
  • Maty Noho ny Fanarahany Foto-pitsipika Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maty Noho ny Fanarahany Foto-pitsipika Izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
w00 1/5 p. 32

Maty Noho ny Fanarahany Foto-pitsipika Izy

“TSAROANTSIKA i August Dickmann (teraka tamin’ny 1910), izay Vavolombelon’i Jehovah.” Izany no fiantombohan’ny fanambarana voasoratra teo amin’ny takela-pahatsiarovana iray (hita eto) naseho tsy ela izay, tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen teo aloha. Nahoana no mendrika ny hatao ao amin’ny takela-pahatsiarovana toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah? Mitantara toy izao ny ambin’ilay fanambarana: “Notifirin’ny SS ampahibemaso [izy] tamin’ny 15 Septambra 1939, noho ny fandavana tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.”

Naiditra tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen i August Dickmann tamin’ny 1937. Telo andro taorian’ny nipoahan’ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny 1939, dia noterena hanao sonia ny filatsahany ho miaramila izy. Rehefa nanda tsy hanao izany izy, ilay komandin’ny toby dia nangataka lalana tamin’i Heinrich Himmler, lehiben’ny SS (Schutzstaffel, mpiambina kalazalahin’i Hitler) mba hitifirana an’i Dickmann teo imason’ireo voafonja hafa rehetra tao an-toby. Namoaka izao vaovao avy tany Alemaina izao ny The New York Times, tamin’ny 17 Septambra 1939: “August Dickmann, 29 taona, (...) notifirin’ny miaramila mpitifitra teto.” Nilaza ilay gazety fa izy no Alemà voalohany, tamin’io ady io, nanda tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.

Notsarovan’ny Fiorenan’ny Fahatsiarovana an’i Brandenbourg ny nahafatesan’i Dickmann, enimpolo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 18 Septambra 1999, ary ankehitriny io takela-pahatsiarovana io dia mampahatsiahy an’ireo mpitsidika ny herim-po sy ny finoana matanjaka nananan’i Dickmann. Misy takela-pahatsiarovana faharoa, eo amin’ny rindrina ivelan’ilay toby fitanana teo aloha, izay mampahatsiahy an’ireo mpitsidika, fa i Dickmann dia iray monja tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah 900 teo ho eo, izay nijaly tao Sachsenhausen noho ny finoany. Nisy maro kokoa nijaly tany amin’ny toby fitanana hafa. Eny, fa na dia tao anatin’ny toe-piainana nahatsiravin’ny toby fitanana aza, dia maro no nitoetra ho nahatoky tamin’ny foto-pitsipik’Andriamanitra.

Adidy kristianina ny “hanaiky ny fahefana lehibe [ny fitondram-panjakana]” ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Romana 13:1). Rehefa manandrana manery azy ireo handika ny lalàn’Andriamanitra anefa ny fitondram-panjakana, dia manaraka ny ohatry ny apostolin’i Kristy izay nilaza toy izao, izy ireo: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29). Vokatr’izany, rehefa nitarika ho amin’ny habibiana maharikoriko ny fifandrafiana ara-poko sy ny fankahalana ara-pirazanana teto amin’ity tontolo ity, hatraiza hatraiza ny Vavolombelon’i Jehovah, sahala amin’i August Dickmann, dia nikatsaka fihavanana. Manaraka izao fampirisihan’ny Baiboly izao izy ireo: “Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.”​—Romana 12:21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara