FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w00 15/4 p. 32
  • Fanomezana Sarobidy eo Imason’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanomezana Sarobidy eo Imason’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
w00 15/4 p. 32

Fanomezana Sarobidy eo Imason’i Jehovah

Naharay izao taratasy manaraka izao ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Mozambika:

“Zazalahy fito taona aho, ary mbola mianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Vola azoko tamin’ny fiompiana akohokely iray ity vola alefako ity. Namidiko 12 000 meticales [6 000 FMG eo ho eo] ilay izy. Misaotra an’i Jehovah aho fa nanjary akoholahy ilay akohokely nompiako voalohany. Iriko ny hampiasana ity fanomezako ity mba hanohanana ny asan’ny Fanjakan’i Jehovah.

PS: Nanampy ahy hanoratra ity taratasy ity i Dada.”

Heverin’ny olona sasany ho mifandray amin’ny habetsahan’ny fananana zavatra ara-nofo ny fahalalahan-tanana. Tantarain’ny Baiboly anefa ny amin’ilay vehivavy mpitondratena nandatsaka “farantsakely roa” tao amin’ny fandatsahan-drakitra tao amin’ny tempoly. Rehefa mamaky io fitantarana io isika, dia takatsika fa tsy ny habetsahan’ny zavatra omena no entina amaritana ny fahalalahan-tanana, fa ny fironan’ny fo araka ny mety.​—Lioka 21:1-4.

Ankasitrahan’i Jehovah ny fanomezana rehetra, na dia kely toy inona aza, rehefa atao amin’ny fo atosiky ny fitiavana. Ary mahazo fitahiana be dia be avy aminy ireo manahaka ny fahalalahan-tanany, ka manome ny fotoanan’izy ireo, ny herin’izy ireo, na ny fananan’izy ireo mba hanohanana ilay Fanjakan’i Jehovah.​—Matio 6:33; Hebreo 6:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara