FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w00 1/4 p. 32
  • Fotoana Manokana Iray​—Ho eo ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fotoana Manokana Iray​—Ho eo ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
w00 1/4 p. 32

Fotoana Manokana Iray​—Ho eo ve Ianao?

TAMIN’NY andro iray tsy hay hadinoina, maherin’ny 3 500 taona lasa izay, ireo Isiraelita nandevozina tany Ejipta, isam-pianakaviana, dia nasain’i Jehovah Andriamanitra namono zanak’ondry, na osy, ka nanatentina ny rany teo amin’ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravaran’ny tranony. Tamin’io alina io indrindra, ny anjelin’Andriamanitra dia nandalo ny trano voaisy marika toy izany, nefa kosa dia namono ny lahimatoa tao amin’ny tranon’ny Ejipsianina rehetra. Nafahana ireo Isiraelita taorian’izany. Nankalaza ny Paska ireo Jiosy tamin’ny fitsingerenan’io fisehoan-javatra io.

Raha vantany vao avy nankalaza ny Paska farany niarahany tamin’ireo apostoliny i Jesosy Kristy dia nanorina sakafo iray izay hampahatsiaro ny nahafatesany ho sorona. Nanolotra mofo tsy nasiana lalivay an’ireo apostoliny izy ary nilaza hoe: “Raiso, hano, ity no tenako.” Natolony azy avy eo ny kapoaka nisy divay ary hoy izy: “Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” Hoy koa i Jesosy: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.” (Matio 26:26-28; Lioka 22:19, 20). Koa nandidy ireo mpanara-dia azy àry i Jesosy mba hitana io fankalazana ny nahafatesany io.

Amin’ity taona ity, ny fitsingerenan’ny nahafatesan’i Jesosy dia mifanitsy amin’ny alarobia 19 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Amin’io alina manokana io, dia hivory ny Vavolombelon’i Jehovah manerana ny tany, mba hitandrina io Fahatsiarovana io, araka ny fomba nandidian’i Jesosy azy. Asaina amim-pitiavana ianao mba hiaraka aminay amin’ny maha mpitazana. Anontanio, aza fady, ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao, mba hahafantarana ny ora sy ny toerana marina hanaovana io fivoriana io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara