Afaka Manampy Antsika Amin’izao Andro Izao ve ny Baiboly?
“RAHA ny Baiboly iray manontolo no jerena, dia ny 1 isan-jatony eo ho eo no mendrika hovakina, fa tsy azo ampiharina sy efa lany andro kosa ny ambiny.” Izany no nolazain’ny tovolahy iray. Maro no hiombon-kevitra aminy. Na dia mbola anisan’ny boky be mpividy indrindra maneran-tany aza ny Baiboly, dia olona an-tapitrisany maro no zara raha manisy fiheverana azy io, ary tsy mahafantatra tsara izay fampianarana raketiny.
Tao amin’ilay fanontany momba ny Krismasy tamin’ny 1996, dia nohazavain’ilay gazety alemà hoe Süddeutsche Zeitung fa “mihavitsy mpamaky hatrany [ny Baiboly]. Ho an’ny maro, dia toa hafahafa sy saro-takarina ireo fitantarana ara-baiboly, amin’izao vanim-potoanan’ny siansa sy vanim-potoana itomboan’ny tsy firaharahana fivavahana izao”. Manamafy izany tatitra izany ireo fanadihadiana natao. Ahariharin’ny fandinihana sasany fa ankizy maro be no tsy mahafantatra akory hoe iza marina moa i Jesosy. Tamin’ny fanadihadiana iray, dia tsy ampy antsasaky ny olona nadinadinina akory no afaka nilaza ny tantaran’ilay zanaka adala sy ny tantaran’ilay Samaritanina tsara fanahy, ao amin’ny Baiboly.
Ilay boky navoakan’ny Eglizy Evanjelika Soisa hoe Reformierte Forum, dia milaza fa tsy toy ny taloha ny habetsahan’ny Baiboly ilaina any Soisa. Na dia eo amin’ireo izay efa manana Baiboly aza, dia matetika izy io no manangom-bovoka fotsiny eo ambony talantalana. Tsy hafa noho izany ny toe-javatra any Grande-Bretagne. Araka ny fanadihadiana iray, na dia manana Baiboly aza ny ankamaroan’ny olona, dia mbola tsy namaky azy io mihitsy ny ankabeazan’izy ireo.
Etsy an-danin’izany kosa, dia misy olona an-tapitrisany maro maneran-tany mihevitra ny Baiboly amin’ny fomba hafa noho izany. Raisin’izy ireo ho Tenin’Andriamanitra izy io, ka heveriny ho sarobidy sy mahasoa. Noho izany, dia mamaky azy io tsy tapaka izy ireo. Nanoratra toy izao ny tovovavy iray: “Miezaka mamaky toko iray na roa ao amin’ny Baiboly isan’andro aho. Tena ankafiziko tokoa izany.” Mandinika amim-pitandremana tsara izay ampianarin’ny Baiboly ny olona toy izany, ary miezaka hampihatra eo amin’ny fiainany ny torohevitra raketin’izy io. Mino izy ireo fa afaka manampy azy ireo eto amin’ity tontolo mikorontana ankehitriny ity ny Baiboly.
Ahoana no hevitrao? Tsy azo ampiharina amin’ny andro ankehitriny ve ny Baiboly? Sa izy io sarobidy sy mahasoa? Afaka manampy antsika amin’izao andro izao ve ny Baiboly?