FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/10 p. 32
  • “Herin-tsaina Nentanin’ny Finoana”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Herin-tsaina Nentanin’ny Finoana”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/10 p. 32

“Herin-tsaina Nentanin’ny Finoana”

NA BE aza ny antsoantsom-panakianana, dia nivoaka tamin’ny taona 1998 ny boky vaovao iray amin’ny fiteny frantsay, mitondra ny lohateny hoe Les Témoins de Jéhovah face à Hitler (Ny Vavolombelon’i Jehovah Mifanandrina Amin’i Hitler), izay nosoratan’i Guy Canonici. Nanoratra toy izao ao amin’ny sasin-tenin’ilay boky ilay mpahay tantara frantsay hajaina fatratra atao hoe François Bédarida: “Tsara fahatongavana ity boky ity. Tsy hoe noho izy io mameno ny banga fotsiny, fa noho ny fahatongavany amin’ny fotoana ilana azy koa. (...) Iza moa no mahafantatra izay nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah teo ambanin’ny Reich Fahatelo, ankoatra ireo manam-pahaizana manokana? Kanefa nandritra ny 12 taona maninjitra naharetan’ilay fitondrana, dia niharan’ny fanenjehana tamim-pirehetana tsy an-kijanona sy tamin-kerisetra tsy nety lefy, izy ireo. Niaina ireo zava-nahatsiravina tany amin’ny toby fitanana koa izy ireo. Nividy lafo ny finoany sy ireo zavatra nekeny mafy koa izy ireo. Nahoana no hadinon’ny tantara ireny Kristianina ireny? (...)

“Nahoana no nisy fanenjehana voalamina sy feno halozana toy izany natao tamina sekta kely miparitaka sy tsy mampidi-doza akory? Izao no fototr’ilay toa fifanoheran-javatra: Ireo Vavolombelona tany Alemaina dia tsy vitan’ny hoe tena vitsy raha oharina amin’ny isan’ny mponina — satria asehon’ny statistika fa 20 000 teo ho eo izy ireo, kanefa maherin’ny 60 tapitrisa ny tontalin’ny isan’ny mponina — fa izy rehetra dia samy olom-pirenena tia fihavanana sy nanaja lalàna avokoa, ary tsy loza nandrahona na iza na iza fa naniry fotsiny hiasa sy hitaiza amim-pahamendrehana ny zanany. (...)

“Io fanenjehana io anefa dia nifanandrina tamin’ilay hery ara-panahy tsy laitra atao na inona na inona sy mandresy nananan’ireo mpino izay afaka nanohitra ny herin’ireo fanerena ivelany tamin’ny hery anatin’ny finoany an’i Jesosy Kristy, nanomboka tamin’ny herisetra ara-batana nampiharin’ny polisim-panjakana, ka tonga hatramin’ny fisian’ny mahery fo sy ny maritiora.”

Manan-kery tokoa ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah izay maty maritiora noho ny finoany kristianina, teo anoloan’ny tsy fileferana ara-pivavahana. Tao amin’ny famakafakany an’ilay boky, dia nanampy teny nanohina ny fo toy izao ny La Croix, gazety katolika frantsay lehibe iray: “Tao amin’ny tantaran’izy ireo tsy be mpahalala no nanangonan’i Guy Canonici porofo maro be izay mahatonga ny tena tsy hahita teny holazaina, noho ny herin-tsaina nentanin’ny finoana izay nambara tamin’ny teny faran’izay tsotra, dia finoana tsy azo nohozongozonina hatramin’ny farany, na dia teo amin’ireo ankizy aza. Io fahatsiarovana io dia tokony ho loharano manazava ilay adihevitra ankehitriny ny amin’ny maha Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara