“Vady Sambatry ny Vehivavy Iray Mahate ho Tia”
INDRAINDRAY ny olona sasany dia miampanga an-kitsirano ny Vavolombelon’i Jehovah ho mandrava fanambadiana. Tsy marina velively anefa izany, satria fanambadiana maro be no vanona, na dia ny iray amin’ny mpivady ihany aza no Vavolombelon’i Jehovah. Mahatonga fanambadiana sambatra ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly momba ny fiainam-pianakaviana, araka ny asehon’ity taratasy manaraka ity, izay nivoaka tao amin’ny gazety frantsay iray.
“Efa ho 28 taona izao, dia vady sambatry ny vehivavy iray mahate ho tia, izay Vavolombelon’i Jehovah, aho. Nitaiza ireo zanako dimy izy, ka sady tsy nasiany tombo sy hala ny fikarakarana azy ireo no samy nentiny tamim-pitiavana aoka izany izy ireo, na dia tsy zanany aza ny roa aminy. Talen’ny orinasa iray misy mpiasa 45 aho amin’izao fotoana izao, ka afaka manome toky anareo fa nandray anjara lehibe teo amin’ny fahombiazako teo amin’ny asa izy. Hitako fa nampiseho ny Vavolombelon’i Jehovah ho toy ny loza mandrahona ny faritr’i Lot-et-Garonne ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety famakiko, ka izany no antony nanapahako hevitra hijoro ho vavolombelona, miaraka amin’ny porofo marim-pototra.”
Nilaza toy izao koa ilay taratasy: “Sady tsy mifoka izy ireo no tsy mimamo. Loza mandrahona ve izany? Kristianina mandefitra izay tsy manery na iza na iza hitandrina ny fitsipika arahiny izy ireo. Filamatra kosa izy ireo amin’ny lafiny maro. (...) Tsy voarohirohy amin’ny raharaha ara-bola mahafa-baraka na amin’ny varo-maizina zava-mahadomelina izy ireo. Tsy mba manao voady ny tsy hanambady izy ireo, ary afaka manome toky anareo aho fa manana fiainana ara-dalàna izy ireo. (...)
“Mety hanontany ahy toy izao àry ianareo: Koa nahoana àry ianao no tsy Vavolombelon’i Jehovah? Satria ilaina ny finoana kristianina sy ny fitsipi-pitondran-tena hentitra, ary ireo dia tsy mora hita eo amin’ny sarambaben’olona.”