Tadidinao Ve?
Hitanao ho misy vidiny azo ampiharina ve ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Nahoana àry raha tsapaina amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny fitadidianao?
◻ Inona avy ireo fanontaniana roa izay nanampy Kristianina maro handray ny fanapahan-keviny manokana, rehefa manapa-kevitra momba ny asa atao izy ireo?
Toy izao ny fanontaniana voalohany: Ilay asa mihitsy ve no melohin’ny Baiboly? Ny fanontaniana faharoa dia hoe: Mahatonga ny olona iray ho mpiray tsikombakomba amin’ny fanao melohina iray ve ny fanaovana io asa io? — 15/4, pejy faha-28.
◻ Tamin’ny fomba ahoana no ‘nampanekena ny olombelona ho zava-poana’? (Romana 8:20).
“Nampanekena ho zava-poana” isika noho ny zavatra nataon’i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany. Tsy nitranga “noho ny sitrapon[tsika]” na vokatry ny safidy manokana nataon’ny tsirairay izany. Nolovantsika izany. Tamim-pamindram-po, i Jehovah dia mbola namela an’ireo ray aman-drenintsika voalohany hiteraka, na dia tsy afaka nanome afa-tsy ny tsy fahalavorariana sy ny fahotana ary ny fahafatesana aza izy ireo izao. Nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, koa tamin’izany heviny izany no ‘nampaneken’Andriamanitra ny zavatra ary ho zava-poana’. — 1/5, pejy faha-5.
◻ Nahoana no lôjika ny hilazana fa mbola amin’ny hoavy vao ‘hitsangana ao amin’ny fitoerana masina ny fahavetavetan’ny fandravana’? (Matio 24:15).
Tamin’ilay tandindona tamin’ny andro fahiny, dia nifandray tamin’ilay fanafihan’ny Romanina, teo ambany fitarihan’ny Jeneraly Gallus tamin’ny 66 am.f.i., ilay ‘fahavetavetana nitsangana tao amin’ny fitoerana masina’. Mbola ho avy ilay mifanitsy amin’izany fanafihana izany amin’izao andro maoderina izao, dia ny fipoahan’ny fahoriana lehibe. (Matio 24:21). Koa mbola amin’ny hoavy àry vao hitsangana ao amin’ny fitoerana masina ilay “fahavetavetan’ny fandravana”. — 1/5, pejy faha-16, 17.
◻ Ahoana no ahitan’ny ray na ny reny miasa fotoana hiarahana amin’ny zanany?
Ny reny iray mahatsiaro ho reraka be rehefa avy miasa, dia afaka mangataka ny zanany mba hiara-mikarakara sakafo aminy. Ny raim-pianakaviana manan-javatra betsaka atao amin’ny faran’ny herinandro, dia afaka miara-manao ny sasany amin’ireny raharaha ireny amin’ny zanany. — 15/5, pejy faha-6.
◻ Inona no tsy maintsy ataon’ireo izay ‘mandeha amin’ny lalan’i Jehovah’? (Jeremia 7:23).
Ny fandehanana amin’ny lalan’i Jehovah dia mitaky tsy fivadihana — fahatapahan-kevitra tsy hanompo afa-tsy i Jehovah irery ihany. Izany dia mitaky fitokisana — finoana tanteraka fa azo itokisana ny fampanantenan’i Jehovah ka ho tanteraka. Ny fandehanana amin’ny lalan’i Jehovah dia mitaky fankatoavana — fanarahana ireo lalàny sy tsy fialana amin’izany ary fihazonana ireo fari-pitsipiny ambony. (Salamo 11:7). — 15/5, pejy faha-14.
◻ Inona avy ireo andraikitra lehibe efatra tontosain’ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’? (Efesiana 4:8, NW ).
Manitsy antsika amim-pitiavana izy ireo, mampiorina antsika amim-pitiavana, anisan’ny mitsimbina ny firaisan-tsaintsika eo anivon’ny kôngregasiôna, ary miaro antsika amin-kerim-po. (Efesiana 4:12-14, NW ). — 1/6, pejy faha-14.
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ny nifaneraseran’i Paoly tamin’ny olona tokony ho zato, voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy ao amin’ireo taratasiny hafa?
Tokony hiara-miasa foana amin’ny fandaminan’Andriamanitra, sy ny kôngregasiônantsika eo an-toerana, ary ireo mpiray finoana amintsika, isika. Mila ny fanampian’izy ireo sy ny fanohanany ary ny fankaherezany isika, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. — 1/6, pejy faha-31.
◻ Inona avy ireo fanaporofoan-kevitra telo azo ampiasaina mba hanampiana ny hafa hieritreritra momba ny Mpamorona?
Ny firindrana maty paika hita eo amin’izao rehetra izao midadasika, ny fiandohan’ny fiainana eto an-tany, ary ilay zava-misy tsy azo lavina hoe tsy manan-tsahala ny atidohan’olombelona, omban’ireo fahaizany maro samihafa. — 15/6, pejy faha-18.
◻ Nahoana no tena zava-dehibe ny hahatakarana ny hevitry ny anarana manokan’ilay Mpamorona?
Ny anaran’Andriamanitra dia midika hoe “Mahatonga Izy”, ka manantitrantitra fa sady mikasa izy no manao zavatra. Rehefa mahafantatra sy mampiasa ny anarany isika, dia afaka mahatakatra tsara kokoa fa mitana ny fampanantenany izy, ka manao zavatra mba hanatanterahana ny fikasany. — 15/6, pejy faha-21.
◻ Ahoana no azo ampandraisana anjara ny ankizy amin’ny fianaram-pianakaviana?
Raha azo atao, dia iezaho mba samy hanana ny Baiboliny sy ny boky fianarany ny ankizy tsirairay. Azo asaina hanazava sary ao amin’ilay fianarana ny ankizy iray. Azo tendrena mialoha hamaky andinin-teny iray ny ankizy kely iray. Azo tendrena hilaza ireo toe-javatra azo ampiharana ilay fianarana kosa ny ankizy zokiny kokoa. — 1/7, pejy faha-15.
◻ Inona no tanjona sasany azon’ny mpianakavy ampidirina ao amin’ny fanomanana ireo fivorian’ny kôngregasiôna?
1) Ho vonona hanome valin-teny any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna ny mpianakavy tsirairay; 2) hiezaka hanome valin-teny amin’ny fomba fiteniny manokana ny tsirairay; 3) hampiditra andinin-teny ao amin’ny valin-teny; ary 4) hamakafaka ilay fianarana ho fikendrena ny hampihatra izany. — 1/7, pejy faha-20.
◻ Inona no fanalahidy iray ho an’ny fanambadiana vanona?
Mba hahitana ilay fifaliana sarobidy entin’ny fanambadiana vanona, ka hiainana amin’izany, dia zavatra iray tena ilaina ny fifampiresahana tsara. Tafiditra amin’ny fifampiresahana ny fifamborahana fihetseham-po sy hevitra. Ary voafaoka amin’ny fifampiresahana mahasoa ireo zavatra mampandroso, mamelombelona, mampiseho hatsaran-toetra, mendri-piderana, ary mampionona. (Efesiana 4:29-32; Filipiana 4:8). — 15/7, pejy faha-21.
◻ Inona moa ny ‘lalan’i Jehovah’? (Salamo 25:8, 9, 12).
Izany lalana izany dia ny lalan’ny fitiavana. Miorina amin’ny fanaovana izay mahitsy araka ny fari-pitsipik’Andriamanitra izy io. Antsoin’ny Baiboly hoe “làlana tsara indrindra” io fampiharana ny fitiavana miorina amin’ny foto-pitsipika io. (1 Korintiana 12:31). — 1/8, pejy faha-12.