Tia ny Fiainana ve Ianao?
“AVELAO aho hahita ny hazavana.” Ireo no teny voalaza fa nolazain’ilay poety italianina iray natao hoe Giacomo Leopardi, tamin’ireo izay nikarakara azy, taloha kelin’ny hahafatesany. Ireo teny ireo dia milaza ny fifikiran’olombelona mafy amin’ny fiainana, izay aseho ho toy ny hazavana.
Ny fifikirana amin’ny fiainana dia faniriana iray sarobidy, izay manosika ny ankamaroan’ny olona hanalavitra loza sy hanao izay rehetra azony atao mba ho velona hatrany. Amin’izany, ny olombelona dia tsy misy hafa amin’ny biby, izay manana fironana voajanahary mahery ny hanao izay hahavelomana.
Karazam-piainana manao ahoana anefa no tena mendrika ny hiainana sy hankamamina? Tsy ny fahavelomana ara-batana — fifohana rivotra sy fihetsehana fotsiny izany. Tsy avy amin’ny fahazoana betsaka araka izay azo atao avy amin’ny fiainana ihany koa ny fahafaham-po ankapobe. Mazàna no tsy nitondra fahafaham-po ho an’ny olona ilay filôzôfia epikoreanina hoe “aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”. (1 Korintiana 15:32). Na dia azo antoka aza fa manana ny zavatra ara-nofo ilainy ny olombelona, dia liana amin-javatra ara-kolontsaina sy ara-tsosialy koa izy, ary tsy resahina intsony ireo zavatra ilaina ara-panahy mifandray amin’ny finoana ny Fisiana Fara Tampony iray. Mampalahelo fa olona an-jato tapitrisany maro, na an’arivo tapitrisany maro mihitsy aza, no tsy manana firy, ankoatra ny fahavelomana, noho ireo toe-piainana mahonena, eo amin’ny ara-tsosialy sy ny tontolo iainana, any amin’ny faritra maro amin’ny tany. Izay mianina amin’ny fanomezana fahafaham-po voalohany indrindra eo amin’ny zavatra ilainy ara-batana — ny fihinanana, ny fisotroana, ny fanangonana fananana, na ny fanomezana fahafaham-po amin’ny faniriany eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy — dia azo lazaina hoe velona ho an’ny nofo toy ny biby fotsiny, ary tsy hahita fahafaham-po firy avy amin’izany. Raha ny marina, dia tsy mampiasa ireo harena misy heviny kokoa, izay atolotry ny fiainana mba hampiasana amin’ny fomba feno ny saina sy ny fihetseham-pon’ny olombelona izy ireo. Fanampin’izany, izay rehetra mitady hanome fahafaham-po ny faniriany feno fitiavan-tena fotsiny, dia tsy vitan’ny hoe tsy hahazo ny tsara indrindra avy amin’ny fiainana fotsiny, fa hanimba ny fiaraha-monina misy azy koa, ary tsy hampandroso ny tombontsoan’ny hafa.
Ho fanamafisana izany, dia nilaza ny mpitsara iray izay misahana ny fikarakarana ny ankizy mpandika lalàna, fa “ny faharavan’ny fari-pitsipika sy ny fanindrahindrana olona ratsy ho môdely, ary ny fahombiazana amin’ny alalan’ireo fomba natao hampanan-karena haingana” dia “mampandroso ny toe-tsaina tia fifaninanana mihoa-pampana”. Izany dia mitarika ho amin’ny fitondran-tena izay manimba ny fiaraha-monina sy mandrava ny fiainan’ireo tanora, indrindra fa rehefa mitodika any amin’ny zava-mahadomelina izy ireo.
Fantatrao fa manolotra zava-manintona maro ny fiainana — ny fanaovana vakansy any amin’ny toerana mahafinaritra, ny famakian-teny na ny fikarohana mahaliana, ny fiarahana mahafaly, ny mozika mahafinaritra. Ary misy fanaovan-javatra hafa izay mitondra fahafaham-po be na kely. Manana antony maro kokoa hitiavana ny fiainana ireo manana finoana an’Andriamanitra, ary indrindra fa an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Baiboly. Ny tena finoana dia loharanon-tanjaka sy fahatoniana, izay afaka manampy ny olona hiatrika fotoan-tsarotra. Afaka milaza amim-pahatokisana toy izao ireo mino ilay Andriamanitra marina: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho”. (Hebreo 13:6). Ny olona mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra dia mahatsapa tena ho tiany. Mamaly ny fitiavan’Andriamanitra izy ireo, ka manovo fifaliana lalina avy amin’izany. (1 Jaona 4:7, 8, 16). Afaka manana fiainana feno zavatra atao sy maneho fitiava-namana, izay loharanom-pahafaham-po, izy ireo. Izany dia tena araka izay nolazain’i Jesosy Kristy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny Apostoly 20:35.
Mampalahelo fa misy lafiny iray hafa ny fiainana ankehitriny. Miely patrana ny fijaliana, ny tsy rariny, ny fahantrana, ny aretina, ary ny fahafatesana — raha ny sasany fotsiny amin’ireo lafiny mampahory izay mahatonga ny fiainana ho zara raha azo zakaina aza, no hotononina. Tsy ory, raha ny amin’ny harena izay afaka mahatonga ny olona ho sambatra, i Solomona, ilay mpanjaka nanankarena sy nanam-pahefana ary hendry teo amin’ny firenen’ny Isiraely fahiny. Na izany aza, dia nisy zavatra iray nanakorontana ny sainy, dia ilay fahatakarana fa amin’ny fahafatesany, dia ho voatery hamela ho an’olon-kafa izay rehetra azony tamin’ny ‘fisasarany’, nataony ‘tamin’ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana’, izy. — Mpitoriteny 2:17-21.
Tahaka an’i Solomona, ny ankamaroan’ny olona dia mahafantatra ny hafohin’ny fiainana, izay mihelina haingana loatra. Milaza ny Soratra Masina fa Andriamanitra dia ‘nametraka ny mandrakizay tao an-tsaintsika’. (Mpitoriteny 3:11, Byington). Io fahatsapana ny mandrakizay io dia manosika ny olona hisaintsaina ny hafohin’ny fiainana. Amin’ny farany, rehefa tsy mahita valiny mampiaiky ny amin’ny hevitry ny fiainana sy ny fahafatesana ny olona iray, dia mety hanjary hovesaran’ny fahatsapana ho mijery lafy ratsin-javatra sy ho zava-poana. Mahatonga ny fiainana hampalahelo izany.
Misy valiny ve ireo fanontaniana mampijaly ny olombelona? Hisy toe-piainana izay hahatonga ny fiainana hanintona sy haharitra kokoa ve indray andro any?