FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/8 p. 32
  • Ny Fanavakavaham-bolon-koditra sy ny Fivavahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fanavakavaham-bolon-koditra sy ny Fivavahana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/8 p. 32

Ny Fanavakavaham-bolon-koditra sy ny Fivavahana

“REHEFA tonga teto Etazonia aho tamin’ny 1978, dia nihevitra fa efa ela i Amerika no nahavaha ny olana momba ny fanavakavaham-bolon-koditra ao aminy, ka nitovy ny mainty sy ny fotsy.” Izany no nambaran’i Mark Mathabane, mpanoratra iray teraka tatsy Afrika Atsimo, rehefa nadinadinin’ny gazetiboky Time ny tenany. “Hitako fa marina izany tamin’ny lafiny maro. Toa nihoaran’i Etazonia zato taona i Afrika Atsimo. Akory anefa ny hatairako fa, hay, tsy nisy fiovana firy ny tao am-pon’ny olona.” Inona no nahatonga azy ho taitra tamin’izany?

“Ny alahady maraina amin’ny 11 ora no iray amin’ireo ora ahitana fanavakavahana be indrindra eto Amerika”, hoy i Mathabane. Nomarihiny fa na dia any am-piangonana aza, dia tsy te hiara-mivavaka amin’ireo hafa firazanana ny olona. “Ahoana àry izany no fihetseham-pon’izy ireny amin’ny ankobanandro?”, hoy ny fanontaniany. Hoy indrindra i Mathabane, rehefa nitaky ny hanomezana fanabeazana mba hampirisihana ny olona hiova: “Rehefa eo ny fanabeazana, dia natao hanaiky ny fitovian’ny olombelona rehetra ianao.”

Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny fanabeazana no vahaolana. Ny fanabeazana miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra kosa anefa no tena anoloran’izy ireo hevitra. Eny, manampy azy ireo handrodana ny sakana apetraky ny fanavakavaham-bolon-koditra ny Baiboly, na dia any amin’ny tany anjakan’ny fankahalana ara-poko aza. Isan-kerinandro, any amin’ireo Efitrano Fanjakanany, dia olona avy amin’ny firazanana sy ny firenena maro samihafa no miara-mivory mba hobeazina amin’ny lalàna sy ny foto-pitsipiky ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Tsy misy fanantazan-drakitra any amin’ireny fivoriana ireny. Asaina an-tanan-droa ianao mba hanatrika azy ireny!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara