Ilay Fahendrena ‘Hahatsinjovana Mialoha Izay Hitranga’
“VAHOAKA nanjary tsy nahay nitsara zavatra intsony izy ireo no sady tsy mahazo hevi-javatra. Raha hendry izy ireo, dia hahazo ny hevitr’izany ary hahatsinjo mialoha izay hitranga aminy.” — Deoteronomia 32:28, 29, Beck.
I Mosesy no nilaza ireo teny ireo tamin’ny Isiraelita, raha nijoro teo amin’ny sisin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Nambaran’i Mosesy mialoha ny amin’ny fotoana izay hahafoizan’izy ireo an’i Jehovah sy tsy hieritreretan’izy ireo firy ny amin’ny ho vokatry ny zavatra hataony. Nandritra ireo taonjato maro nanaraka izany, dia tsy niraharaha ny fampitandreman’Andriamanitra ny firenen’ny Isiraely, anisan’izany ny mpanjaka maro teo aminy.
I Solomona, ohatra, dia nahafantatra ny didin’Andriamanitra ny amin’ny tsy tokony hanambadiana olona mivavaka amin’andriamani-kafa, ankoatra an’i Jehovah. (Deoteronomia 7:1-4). Nanjary nanambady “vehivavy maro hafa firenena” anefa izy. Inona no vokany? Milaza toy izao ny fitantaran’ny Baiboly: “Nony efa antitra Solomona, dia navilin’ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’i Davida rainy.” (1 Mpanjaka 11:1, 4). Na dia lehilahy hendry aza i Solomona, dia tsy nanana fahaiza-mitsara zavatra ‘hahatsinjovana mialoha izay hitranga’ raha tsy nankato ny didin’Andriamanitra ny tenany.
Ahoana ny amintsika? Afaka misoroka fanaintainana be isika raha mieritreritra tsara mialoha izay fanapahan-kevitra ataontsika eo amin’ny fiainana. Ampirisihina, ohatra, ny Kristianina mba “hanadio ny [tenany] ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy”. (2 Korintiana 7:1). Fahendrena izany, nefa maro no tsy manana fahaiza-mitsara zavatra hahatsinjovana mialoha izay mety hitranga raha toa izy ka tsy miraharaha ny torohevitr’i Paoly. Tanora maro, ohatra, no mandoto ny tenany amin’ny fifohana sigara, ka mihevitra fa mahatonga azy haharaka ny fanaon’ny olona sy hoheverina ho olon-dehibe izany. Tena hampalahelo tokoa, any aoriana any, rehefa ho tratran’ny aretim-po na ny kanseran’ny havokavoka, na ny aretin-tratra, ny maro, ho vokatr’izany!
Tena zava-dehibe ny hieritreretana amim-pitandremana izay ho vokatry ny fanapahan-kevitsika sy ny zavatra ataontsika. Misy antony tsara, matoa i Paoly nanoratra hoe: “Izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.” — Galatiana 6:7, 8.