FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/6 p. 32
  • Fiarovana Laza Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiarovana Laza Tsara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/6 p. 32

Fiarovana Laza Tsara

METY handraisan-tsoa lehibe ny fandinihana amim-pitandremana ny sary hoso-doko iray tsara tarehy. Rehefa mijery izany akaiky ny olona iray, dia hahamarika fa an-jatony maro ireo diam-borosy nentin’ny mpanakanto iray nanosorana loko isan-karazany teo amin’ny tapa-damba iray nasiana sary hoso-doko.

Mitovy amin’izany koa, ny fanorenana laza tsara dia tsy vitan’ny fanosorana indray mandeha monja amin’ny borosy iray avelatra be, raha izay no ilazana azy, fa amin’ny fanaovan-javatra madinika maro mandritra ny fe-potoana iray kosa. Eny, mitombo tsikelikely ny laza tsarantsika, arakaraka ireo zavatra ataontsika.

Etsy an-danin’izany, dia mety hampihem-bidy ny sary hoso-doko iray ny diam-borosy iray diso fiantefa. Tsy misy hafa amin’izany koa ny amin’ny lazantsika. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Ny fahadalan’ny olona no mahasimba ny alehany”. (Ohabolana 19:3). Kely fotsiny amin’izay mahazatra ny miantso azy hoe fahadalana — angamba fisafoahana mafy indray mandeha, na fanaranam-po tafahoatra amin’ny fisotro misy alkaola indray mandeha, na fanaovan-javatra iray maloto momba ny lahy sy ny vavy — dia efa ampy handoto ny laza tsara dia tsara. (Ohabolana 6:32; 14:17; 20:1). Tena zava-dehibe àry ny hilofosantsika hahazo laza tsara, sy ny hiezahantsika amin-jotom-po mba hiarovana azy io. — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 3:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara