Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
“Hain’Andriamanitra ny Zavatra Rehetra”
VOAPOROFO fa marina ireo teny etsy ambony ireo, izay hita ao amin’ny Matio 19:26, raha ny amin’ny tovovavy iray any Venezoela. Rehefa avy nianatra nametraka fitokisana tanteraka tamin’i Jehovah izy, dia afaka nandresy zava-nanahirana lehibe iray. Nitantara toy izao izy:
“Tena tsara fanahy sy be fitiavana ny renibeko. Nampalahelo fa maty izy fony aho vao 16 taona monja. Niteraka fahatairana mafy ho ahy ny fahafatesany. Nanjary nikorontan-tsaina aho, ka tsy naniry na dia ny hivoaka ho eny an-tokotany aza. Saika nanjary nitokana irery aho, tamin’ny farany.
Sady tsy nankany an-tsekoly aho, no tsy nanana asa. Nijanona fotsiny tao amin’ny efitranoko aho. Tratran’ny fahaketrahana mafy aho noho izaho nanirery sy tsy nana-namana. Nahatsapa ho tsy nisy vidiny tanteraka aho ka naniry ho faty sy hamono tena. Nanontany tena foana aho hoe: ‘Nahoana aho no ary?’
Nandray ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin’ny tovovavy iray antsoina hoe Gisela ny reniko. Indray andro ny reniko dia nahatazana an’i Gisela, raha iny izy nandalo teo akaikin’ny tranonay iny, ary nanontaniany izy io raha afaka nanampy ahy. Nanaiky hanandrana hanao izany i Gisela, nefa tsy nety nandray azy aho. Tsy nahakivy an’i Gisela izany. Nanoratra taratasy ho ahy izy, ka nilaza tamiko fa naniry ny ho namako, ary naniry ny ho namako koa ny olona iray izay lehibe lavitra noho ny tenany. Izany olona izany, hoy izy, dia i Jehovah Andriamanitra.
Nanohina ahy izany, ary namaly ny taratasiny aho. Nifanoratra nandritra ny telo volana izahay. Rehefa avy nahazo fampirisihana be dia be avy tamin’i Gisela aho vao nanana herim-po nihaonana taminy, rehefa ela ny ela. Tamin’ny fihaonanay voalohany, dia niara-nianatra Baiboly tamiko i Gisela, tamin’ny fampiasana ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Taorian’ny fianarana, dia nanasa ahy hanatrika fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana izy. Tsy nampoiziko ilay fanasana. Efa tsy nivoaka ny trano nandritra ny efa-taona aho, ary nampahatahotra ahy ny nieritreritra ny ho eny amin’ny arabe.
Tena nanam-paharetana tamiko i Gisela. Nanome toky ahy izy fa tsy nisy na inona na inona tokony hatahorana, fa hiaraka amiko any amin’ny fivoriana izy. Nanaiky aho tamin’ny farany. Nanomboka nangovitra sy tsemboka aho, rehefa tonga tany amin’ilay Efitrano Fanjakana izahay. Tsy naharahaba olona aho. Na izany aza, dia nanaiky hanohy hanatrika ireo fivoriana aho, ary tonga naka ahy tamim-pahatokiana i Gisela isan-kerinandro.
Nitondra ahy tany am-pivoriana aloha be i Gisela, mba hanampiana ahy handresy ny henatro. Nijoro teo am-baravarana izahay, ary niarahaba izay tonga. Tamin’izany fomba izany no nifanatrehako tamin’olona iray na roa monja isaky ny niarahaba, fa tsy tamin’antokon’olona iray manontolo indray niaraka. Rehefa nahatsapa ho tsy nahatanty intsony aho, dia notononin’i Gisela tamiko ny Matio 19:26, manao hoe: ‘Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.’
Na dia tsy mora aza izany, dia nahavita nanatrika fivoriana nisy olona maro kokoa tany amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany mihitsy aza aho, tamin’ny farany. Tena dingana lehibe ho ahy izany! Tamin’ny Septambra 1995, dia nisikina herim-po aho mba hiresaka tamin’ireo loholona momba ny hirotsahako amin’ny fanompoana isam-baravarana. Enim-bolana tatỳ aoriana, tamin’ny Aprily 1996, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa tao anaty rano aho.
Rehefa nisy olona nanontany ahy ny amin’ny fomba nahitako herim-po hanaovana izany, dia namaly toy izao aho: ‘Mahery lavitra noho ny tahotro ny faniriako hampifaly an’i Jehovah.’ Na dia mbola mahatsiaro ho ketraka aza aho indraindray, dia mitombo ny fifaliako noho ny fanaovako ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra. Rehefa mitodika ny lasa aho, dia voatery miombon-kevitra amin’i Gisela. Manana Namana izay mihevitra ahy sy ‘manome hery ahy’ aho, ankehitriny.” — Filipiana 4:13, NW.
[Sary, pejy 8]
“Mahery lavitra noho ny tahotro ny faniriako hampifaly an’i Jehovah”