Ny Herisetra — Tsy Hisy Intsony Tsy ho Ela!
“Loza Mananontanona ny Firenena ny Herisetra” — The New York Times, Etazonia.
“Herisetra ao An-tokantrano” — O Globo, Brezila.
“Mandrahona ny Vehivavy Maneran-tany ny Herisetra” — The Globe and Mail, Kanada.
MAMPISEHO mazava ny fironana iray mampikorontan-tsaina maneran-tany ireo matoam-baovao tao amin’ny gazety tany Amerika Avaratra sy Atsimo ireo. Araka ny nilazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana azy vao haingana, “ny herisetra amin’ny endriny rehetra dia nitombo izaitsizy tato anatin’ireo folo taona faramparany”.
Diniho ireto antontan’isa sasantsasany mampieritreritra ireto:
Vonoan’olona. Any Amerika Latina sy Antilles, dia olona 1 250 isan’andro, no iharam-pahafatesana mahery vaika. Ho vokatr’izany, “dia ny famonoana olona no antony lehibe faharoa mahatonga fahafatesana eo amin’ny tanora 15 ka hatramin’ny 24 taona, any amin’ny antsasaky ny firenena ao amin’ireo faritra ireo”.
Herisetra ampiharina amin’ankizy. Olana maneran-tany ny fampijaliana ara-batana, sy ara-pihetseham-po, ary ny fametavetana ampiharina amin’ankizy. Ohatra, “ny fanadihadiana natao tamin’ny olon-dehibe any amin’ny tany mandroso maromaro, dia toa milaza fa 10 ka hatramin’ny 15 isan-jaton’ny ankizy no iharan’ny fametavetana, ka ankizivavy ny ankamaroany”.
Herisetra ampiharina amim-behivavy. Nisy famotopotorana natao mikasika ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona naneran-tany, tamin’ny 1997. Rehefa vita ilay izy, dia nanatsoaka hevitra ireo mpikaroka fa “ny herisetra ao an-tokantrano no iray tamin’ireo antony lehibe indrindra nahatonga ratra tamin’ny vehivavy saika any amin’ny firenena rehetra eto an-tany”. (Human Rights Watch World Report 1998). Ny herisetra ao an-tokantrano, izay olana miely patrana saingy tsy anaovana tatitra, dia antsoina ankehitriny hoe “ny krizy manginan’ny taonjato faha-20”. — The Globe and Mail, Kanada.
“Feno herisetra” toy izany koa ny tany, tamin’ny andron’i Noa. (Genesisy 6:9-12, NW ). Notsimbinin’i Jehovah Andriamanitra anefa ny ain’io “mpitory ny fahamarinana” io sy ny an’ny fianakaviany, “fony [izy] nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao”. Hanao zavatra mitovy amin’izany koa Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Hiaro “ny mpiraiki-po aminy” (Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara) izy rehefa hanafoana ireo mahery setra sy ratsy fanahy, ka hanao an’ity tany ity ho paradisa, ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenainy. (2 Petera 2:4-9; 3:11-13). Tsy mampientanentana anao ve ny mahafantatra fa tsy hisy intsony ny herisetra, tsy ho ela?