Arovan’ny Komity Mpitsara Rosianina ny Vavolombelon’i Jehovah
RAISIN’NY Vavolombelon’i Jehovah amim-pifaliana ireo tatitra ataon’ny fampitam-baovao momba azy, rehefa misy fahatsapana andraikitra ny fanomanana izany tatitra izany. Ankoatra izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia vonona hanao filazana marina momba ny tenany sy ny zavatra inoany ary ny asany ara-pivavahana. Rehefa misy kosa anefa lahatsoratra tsy araka ny marina, na feno fanendrikendrehana mahakasika azy ireo, dia ampiakarin’ny Vavolombelona any amin’ireo manam-pahefana izany indraindray, mba hiarovana ny zony ara-pivavahana sy sivily. Diniho ange izao ohatra vao haingana izao e!
Namoaka lahatsoratra iray izay nanasoketa nibaribary ny Vavolombelon’i Jehovah ny gazety rosianina be mpitia hoe Komsomolskaya pravda, tao amin’ny takelaka fanampiny natokana ho an’ny faritr’i Saint-Pétersbourg. Tao amin’ilay lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Sekta eto Pétersbourg. Hisy Tanàna Tempoly Eto”, dia nilaza ilay mpanoratra atao hoe Oleg Zasorin, fa miteraka fahavoazana ny Vavolombelon’i Jehovah noho ireo zavatra inoany, ary mandika ny Lalàm-panorenana rosianina ny asan’izy ireo. Izany famelezana izany dia miompana indrindra indrindra amin’ny fandikana vilana ny zavatra inoan’ny Vavolombelona miorina amin’ny Baiboly, toy ny fampidiran-dra sy ny fifandraisana ara-pianakaviana. Ankoatra izany, dia nopetahan’ilay lahatsoratra anarana hoe “sekta” ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nolazainy fa misy mihevitra azy ireo ho “ny mampidi-doza indrindra amin’ireo sekta rehetra”.
Nampiakatra ilay raharaha ny Foibem-pitantanan’ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Nangataka ny Komity Mpitsara ao amin’ny Prezidànsy misahana ny ady momba ny fampitam-baovao manerana ny Federasiônan’i Rosia izy, mba handinika indray ireo zavatra voalaza tao amin’ilay lahatsoratra, izay heverin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa fanasoketana. Tamin’ny fotoam-pivoriana nataon’ilay Komity Mpitsara tamin’ny 12 Febroary 1998, dia nisy solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo mba hamaly fanontaniana maro be nataon’ireo anisan’ilay komity mbamin’ny mpanao gazety sy ny mpisolovava. Mba hanamarinana izay tena inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy tena ampianariny, dia nodinihin’ireo anisan’ilay komity tamim-pitandremana ny zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, indrindra fa ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.
Nomarihin’i V. V. Borshchyov, solombavambahoaka any amin’ny Fanjakan’i Duma ao amin’ny Federasiônan’i Rosia, fa misy ambadika ratsy tsotra izao ilay hevitra hoe “sekta”. Nilaza toy izao Atoa Borshchyov: “Faran’izay mampidi-doza ny fahasahisahian-dratsy [toy izany] sy ny fametapetahana anarana. Tena zava-dehibe ny naneken’ny Komity Mpitsara handinika ny fitoriana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy hatsahatra ny fitosahan’ny fihetseham-po sy fanalam-baraka toy izany, izay miantefa amin’ny fikambanana ara-pivavahana voasoratra ara-panjakana.”
Rehefa avy nandre ny porofo rehetra ny Komity Mpitsara dia nanatsoaka hevitra fa tsy ara-dalàna sy tsy manaja ny fitsipika arahina ilay lahatsoratra niseho tao amin’ny Komsomolskaya pravda; hitan’ilay komity koa fa feno hevi-diso sy tsy marim-pototra ilay lahatsoratra. “Tsy manome zava-misy voafaritra tsara ilay mpanoratra (...). Manely siosion-dresaka ho toy ny tatitra azo ianteherana ny mpanoratra ilay gazety, ka mampiasa amin’ny fomba ratsy ny zon’ny mpanao gazety”, hoy ilay Komity Mpitsara. Mifanohitra amin’izay nolazain’ilay lahatsoratra an-gazety, fa hitan’ilay Komity Mpitsara hoe mpanara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah sady mampianatra ireo mpikambana ao aminy mba hihavana amin’ny havany aman-tsakaizany izay tsy manaiky ny zavatra inoany.
Adiny iray taorian’ny nandrenesana ny vavolombelona farany, dia navoakan’ilay Komity Mpitsara ny fanapahan-keviny:
“1. Hanaiky fa ny famoahana ilay lahatsoratra hoe ‘Sekta eto Pétersbourg. Hisy Tanàna Tempoly Eto’, dia fandikana izay takin’ny Andininy faha-4 sy faha-49 ary faha-51 amin’ny Lalànan’ny Federasiônan’i Rosia ‘Momba ny Fampitam-baovao’.
“2. Hampirisika ny Komitim-panjakana Tompon’andraikitra amin’ireo Zavatra Vita Pirinty ao amin’ny Federasiônan’i Rosia, mba handinika indray ny amin’ny hamoahana fampitandremana ho an’ilay filan-kevitry ny mpampanonta ny gazety Komsomolskaya pravda.
“3. Hamoaka fananarana mafy ho an’i O. Zasorin, mpanao gazety.
“4. Hampirisika ilay filan-kevitry ny mpampanonta ny gazety Komsomolskaya pravda mba hamoaka fialan-tsiny noho ny namoahany fanazavana tsy azo ianteherana izay nanala baraka tsy amin’antony ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah.”
Io fanapahan-kevitry ny Komity Mpitsara io dia mifanaraka amin’ny fanatsoahan-kevitra nataon’i Sergei Ivanenko, manam-pahaizana momba ny fivavahana sady manana fari-pahaizana ambony momba ny filôzôfia. Rehefa avy nandinika tamim-pitandremana ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nifanerasera tamin’izy ireo Atoa Ivanenko, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah, dia nanoratra lahatsoratra iray izay niseho tao amin’ny nomeraon’ny Moscow News tamin’ny 20-26 Febroary 1998.a Nanatsoaka hevitra toy izao Atoa Ivanenko: “Miavaka noho ny finoany mafy orina, amin’ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny Baiboly, ny Vavolombelon’i Jehovah. (...) Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny Baiboly no lalàm-panorenana sy fehezan-dalàn’ny zo isam-batan’olona ary fanehoana avo indrindra ny fahamarinana. (...) Azo heverina ho fakan-tahaka ho an’ny olom-pirenena tahaka azy ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny fifikirany amin’ny fahamarinana ara-baiboly sy ny fahavononany hiaro tsy amim-pitiavan-tena toy izany ny zavatra inoany.”
Eto indray koa ny fanapahan-kevitry ny Komity Mpitsara sy ny fanazavan’Atoa Ivanenko dia samy manamafy fa tsy mampidi-doza ny fiaraha-monina ny fivavahana kristianina arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa mahasoa kosa ny olona mahitsy fo rehetra. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitoetra ho ‘vonona mandrakariva hamaly izay manontany azy ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatiny, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana’. — 1 Petera 3:15.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Rehefa nahazoan-dalana, dia navoaka tao amin’ny nomeraon’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Septambra 1997 ao amin’ny pejy faha-22-27, ny ankabeazan’ilay lahatsoratra nataon’Atoa Ivanenko, mitondra ny lohateny hoe “Tokony Hatahotra ny Vavolombelon’i Jehovah ve Isika?”