FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/2 p. 32
  • “Tsapako Ilay Rivo-piainana Nilamina”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsapako Ilay Rivo-piainana Nilamina”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/2 p. 32

“Tsapako Ilay Rivo-piainana Nilamina”

NANKANY amin’ny fivoriambe iray nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy iray niteny alemà, mba “hitsikilo” ny Vavolombelona. Nahoana? “Hanala sarona io sekta io sy hamonjy ireo namany mba tsy ho diso lalana” no tanjony. Nanoratra izao taratasy manaraka izao ho an’ireo namany izy, rehefa avy nanatrika ilay fivoriambe:

“Rehefa nanatona ilay toerana nanaovana fivoriambe aho, dia nanontany tena raha io marina ilay izy. Tsy nisy olona tazana teny ho eny, ary tsy nisy fakofako na boatin-dabiera niparitaka teny amin’ny tany. Rehefa nanatona akaiky kokoa aho, dia nahita lehilahy roa nihaja, teo amin’ny fidirana tao amin’ilay kianja. Niarahaba ahy izy ireo ary namela ahy hiditra.

“Nanantena handre tabataba avy tamin’ireo olona an’arivony maro izay voalaza fa tao aho, kanefa dia nangina be ilay izy. ‘Angamba kosa’, hoy ny eritreritro, ‘tsy misy afa-tsy olona vitsivitsy monja miparitaka eran’ny toerana rehetra.’

“Rehefa niditra aho, dia nitana ny saiko avy hatrany ilay fampisehoana tantara izay nolalaovina teny amin’ny lampihazo. Taoriana kely vao takatro fa hay feno hipoka ilay kianja, feno olona an’arivony maro nihaino tsara. Tsapako ilay rivo-piainana nilamina. Namela soritra lalina tao amiko izay reko sy hitako ary tsapako nandritra ny tapany sisa tamin’ilay fivoriambe.

“Rehefa niharoharo tamin’ireo Vavolombelona aho, dia voamariko avy hatrany ny endriny falifaly sy ny teniny feno fitiavana. Tampoka teo, dia lasa ho azy ny eritreritro nanao hoe: ‘Ireto tokoa no vahoakan’Andriamanitra!’ ”

Tsy ‘namonjy ireo namany mba tsy ho diso lalana’, ilay tovolahy fa nangataka azy ireo kosa mba hiara-mianatra ny Baiboly taminy. Inona no vokany? Loholona kristianina izy io amin’izao andro izao. Kristianina marisika ao amin’ny kôngregasiôna iray any Zug, any Soisa, izy sy ny fianakaviany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara