Mieritreritra ny Amin’ny Fanambadiana ve Ianao?
Raha ampitahaintsika amin’ny horohoron-tany ny fisaraham-panambadiana maneran-tany, dia i Etazonia no foibeny. Tao anatin’ireo taona faramparany, dia fanambadiana maherin’ny iray tapitrisa no rava tany, izany hoe fanambadiana roa isaky ny iray minitra, amin’ny antsalany, no rava. Mety ho fantatrao tsara anefa fa tsy irery akory i Etazonia raha ny amin’ny fahoriana ara-panambadiana ao aminy.
ARAKA NY fandinihana iray dia nihoatra ny avo roa heny ny tahan’ny fisaraham-panambadiana any Angletera, Frantsa, Gresy, Holandy, Kanada, Pays de Galles, hatramin’ny 1970.
Manana ny antony rehetra hinoana isika fa miditra amin’ny fanambadiana ny ankamaroan’ny mpivady, satria mifankatia izy ireo ary maniry ny hiara-mandany ny androm-piainany sisa. Mampalahelo anefa fa nofinofy fotsiny ilay fanambadiana sambatra nonofinofisin’izy ireo. Nahatsapa ny tena zava-misy ny maro, ka nilaza fa nanambady aloha loatra izy ireo, na nanambady olona tsy tokony ho vadiny, na izy roa ireo mihitsy.
Nahoana no fanambadiana maro aoka izany no tsy mahomby? “Ny tsy fahampian’ny fiomanana no antony lehibe indrindra”, hoy ny mpanoratra ny boky iray momba ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. Hoy ny nanampiny: “Fihetseham-po roa no mipololotra ato anatiko, rehefa mifandray amin’ny mpivady izay miatrika ady mafy noho ny fahoriana ara-panambadiana, aho: ny fangorahana sy ny fahatezerana. Mangoraka aho satria tsy tanteraka ilay nofinofin’izy ireo hanana fifandraisana mahafa-po eo amin’ny andaniny avy. Tezitra aho noho ny tsy fahafantarany momba ny fahasarotan’ilay asa.”
Eny tokoa, maro no miditra amin’ny fanambadiana, nefa tsy mahalala mihitsy ny amin’izay hampahomby azy io. Tsy mahagaga velively anefa izany. Nanao izao fanamarihana izao ny mpanabe iray: “Firy amin’ny tanorantsika manao fianarana ambony moa no mianatra ny fiaimpiainan’ny voalavo sy ny androngo, nefa tsy mahafantatra ny fiaimpiainan’ny olon-droa antsoina hoe mpivady?”
Mieritreritra ny amin’ny fanambadiana ve ianao — na ny amin’izay mety hanambadianao amin’ny ho avy izany na ny amin’ny fanambadiana misy anao ankehitriny? Raha izany no izy, dia tokony ho fantatrao fa hafa be noho izay aseho ao amin’ny sarimihetsika sy ao amin’ny televiziona ary ao amin’ny tantaram-pitiavana, ny fifandraisana tena misy eo amin’ny fiainana. Etsy an-danin’izany, dia azo heverina ho fitahiana avy amin’Andriamanitra ny fanambadian’ny olon-droa matotra izay tena mifankatia. (Ohabolana 18:22; 19:14). Ahoana àry no ahafahanao mahazo antoka fa voaomana hameno ireo zavatra takin’ny fanambadiana ianao? Lafin-javatra inona avy no tokony hodinihinao rehefa mifidy vady? Ahoana no azonao ampitomboana ny fahafahanao hahita fahasambarana maharitra ao amin’ny fanambadianao, raha manambady ianao?