Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Novalian-tsoa ny Fitadiavana Ilay Andriamanitra Marina
TOTOTRY ny fanompoam-pivavahan-diso ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda, tamin’ny taonjato fahafolo al.f.i. Teo anivon’io fanompoan-tsampy niely patrana io anefa no niainan’ny lehilahy iray izay nanana toe-po tsara teo anatrehan’Andriamanitra. Josafata no anarany. Hoy i Jeho mpaminany momba azy: “Misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa (...) nampiomana ny fonao hitady an’Andriamanitra hianao.” (2 Tantara 19:3). Mitovy amin’izany koa ankehitriny, fa olona an-tapitrisany maro no ‘nampiomana ny fony’ mba hitady an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, amin’izao ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Hamarinin’izao fitantarana manaraka avy any Togo, atsy Afrika Andrefana izao, izany.
Nianatra tany amin’ny sekoly katolika i Casimir, ary natao Kôminio voalohany teo amin’ny fahasivy taonany. Nitsahatra tsy niangona anefa i Casimir, teo amin’ny faha-14 taonany. Nahatonga azy hiaina tao amin’ny tahotra izany satria nihevitra izy fa hahatonga azy ho any amin’ny afobe, na fara faharatsiny any amin’ny afofandiovana, ny tsy famonjeny Lamesa.
Niaraka tamin’ny antokona tanora izay nivory indray mandeha isan-kerinandro mba hianatra ny Baiboly i Casimir, tany an-tsekoly. Nanomboka namaky samirery ny Baiboly koa izy. Namaky tao amin’ny bokin’ny Apokalypsy momba ny bibidia mampahatahotra iray izay nivoaka avy any an-dranomasina, i Casimir, indray mandeha. (Apokalypsy 13:1, 2). Rehefa nanontany ny mpitarika ilay antokona mpianatra ny Baiboly momba izany izy, dia nolazaina fa tena nisy ilay biby ary tena hivoaka avy any an-dranomasina tokoa izy io. Nampikorontan-tsaina an’i Casimir io fanazavana io, satria nipetraka tsy lavitra ny Morontsirak’i Atlantika, izy. Niaiky izy fa ho anisan’ireo hiharam-pahavoazana voalohany amin’ilay bibidia ny tenany.
Nanomboka nanangom-bola i Casimir mba hahafahany handositra mianavaratra any an’efitra, mba hanalavirana ilay bibidia. Nambarany tamin’ny mpiara-mianatra taminy ny fikasany. Vavolombelon’i Jehovah io iray kilasy tamin’i Casimir io ka nanome toky azy fa tsy misy biby toy izany hipoitra avy any an-dranomasina. Nasaina ho amin’ny fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana i Casimir, fotoana fohy taorian’izany. Nankafiziny ireo fivoriana ka nanomboka nanatrika tsy tapaka izy. Nanaiky fampianarana Baiboly any an-tokantrano koa izy.
Nanomboka ny fanoherana rehefa nandroso tamin’ny fianarany i Casimir. Nivavaka tamin’ny razana sy nihinana hena tsy nalatsa-dra izay sisa tavela avy tamin’ny fanaovana fanatitra ny fianakaviany. Norahonana sy nasaina hiala tao an-trano i Casimir, rehefa nanda tamim-pahalalam-pomba tsy hihinana ilay hena. Tony foana i Casimir ary tsy notanterahina ilay fandrahonana. Nandritra ny telo volana anefa, dia tsy nisy afa-tsy io hena io ihany no sakafon’ny fianakaviana. Sahirana i Casimir vao nahita sakafo nahavoky azy, nefa niaritra izany sy ny zava-tsarotra hafa izy.
Nanohy nanao fandrosoana ara-panahy i Casimir, ka tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Tatỳ aoriana, dia voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana izy, ary nanatrika ny kilasy fahefatra tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, tany Togo. Finaritra amin’ny fanaovana asa an-tsitrapo ao amin’ny sampana izy, amin’izao fotoana izao.
Eny, amin’ny toe-javatra maro dia tena marina mihitsy ny tenin’i Davida Mpanjaka hoe: “Raha mitady [an’i Jehovah] hianao, dia hahita Azy”. — 1 Tantara 28:9.
[Sary, pejy 8]
Finaritra manao asa an-tsitrapo ao amin’ny sampana i Casimir (ankavanana)