“Ianareo Izao no Antenain’Andriamanitra Harahinay”
NOHO izy ireo miara-miasa amin’ireo manam-pahefana, “noho ny Tompo”, dia azon’ny Kristianina atao ny manantena hahazo ‘fiderana satria izy ireo manao ny tsara’. (1 Petera 2:13-15). Vao haingana izay, dia nahazo izany ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy Afrika Atsimo tamin’ny fivoriamben’ny distrika natao tao amin’ny efitrano lehibe tao amin’ny faritry ny oniversite iray.
Ny andro voalohany tamin’ny fivoriambe dia niomana ny mpitandro filaminana tao amin’ilay oniversite, satria nihevitra izy ireo fa ho toy ny mahazatra ihany ny isan’ireo mpamonjy fivoriambe kitokitoina sy tsy vonon-kiara-miasa; fahitany tamin’ireo karazana fivoriambe hafa mantsy izany. Noho izy ireo mbola tsy nifampiraharaha tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy anefa, dia hahita zavatra tsy ampoizina mahafinaritra izy ireo!
Anisan’ny fanaraha-maso fanaon’ny mpitandro filaminana eo am-bavahady, ny fisavana ireo fiarakodia rehetra mivoaka sy miditra ilay faritra. Talanjona izy ireo fa olona sariaka sy manam-paharetana ary manaja no niarahaba azy ireo, na dia nahatonga ireo mpamonjy fivoriambe ho tara aza ny fisavana. Tsy nisy ilay fanoherana sy fifamaliana ary teny ratsy nahazatra. “Tsy mba tahaka ireo mpitsidika hafa ianareo fa maneho fanetren-tena sy fahamendrehana amim-pahatoniana izay miharihary aminay rehetra”, hoy ny fanamarihan’ny polisy iray.
Rehefa nahafantatra ny fihetsika tia miara-miasa nasehon’ny Vavolombelona ny lehiben’ny mpitandro filaminana, dia nanapa-kevitra fa tsy ilaina ny misava ireo fiarakodia “satria manaraka tsara izay asaina atao ianareo”, hoy izy. Navela haka toerana àry ireo fiarakodia nitondra famantarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, kanefa tsy nosavaina.
Rehefa nifarana ilay fivoriambe dia nilaza ilay lehiben’ny mpitandro filaminana, fa antenainy ny hahita ny Vavolombelona hiverina tsy ho ela. “Mbola tsy nahita olona tsara fitondran-tena toa anareo mihitsy izahay”, hoy izy. “Ianareo izao no antenain’Andriamanitra harahinay.” Fampirisihana fanampiny ho an’ny Kristianina marina ‘ho tsara fitondran-tena’ ny teny fiderana toy izany, ‘mba hankalazan’ny olona an’Andriamanitra noho ny ahitany ny asa tsara ataon’izy ireo’. — 1 Petera 2:12.