‘Lehibe Tahaka ny Sedera any Libanona’
MANIRY eny amin’ireo tendrombohitra kanton’i Liban ireo hazo fantatra amin’ny anarana hoe Arz Ar-rab, izay midika hoe “Sederan’ny Tompo”. Tamin’ny andro taloha, dia nandrakotra ny tendrombohitra ireny hazo maitsoririnina mijoalajoala ireny, izay resahina im-70 eo ho eo ao amin’ny Baiboly — imbetsaka kokoa noho ny hazo hafa rehetra.
Mampiasa ny teny hoe “tsara” sy “tsara indrindra” ny Soratra Masina mba hilazalazana ireo sedera mijoalajoalan’i Liban. (Tonon-kiran’i Solomona 5:15; Ezekiela 17:23). Efa hatramin’ny ela ny hazo sedera no nalaza tamin’ny habeny sy ny hamafiny, hany ka fampiasa teo amin’ny fanamboarana trano sy sambo, mbamin’ny fandrafetana fanaka, izy io. Tena manintona ny fofona tsara ananany sy ny lokon’ny hazony manopy mena; mahatohitra ny fahalovana sy tsy mety lanin’ny bibikely izy io noho izy be dity. Avo dia avo sy makadiribe ny sedera, mahatratra hatrany amin’ny 37 metatra ny haavony ary 12 metatra ny manodidina ny vatany; lalina sady mafy be ny fakany. Tsy mahagaga àry raha nilazalaza azy io ho “ny voninahitra fara tampon’ny tontolon’ny zavamaniry”, ny mpahay ala sasany amin’ny andro maoderina!
Nampitovin’i Ezekiela, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, tamin’ny sampana sedera nambolen’ny tenan’Andriamanitra mihitsy ny Mesia, tao amin’ny faminaniana iray. (Ezekiela 17:22). Raha ny marina, ny teny hebreo nadika hoe “sedera” dia avy amin’ny fototeny iray midika hoe “miorina mafy”. Amin’izao andro izao koa, ireo mpanara-dia ny Mesia, Jesosy Kristy, dia tokony ‘hiorina mafy amin’ny finoana sy hihamatanjaka’ toy ny sedera avo mahatohitra toe-javatra ratsy. (1 Korintiana 16:13, NW ). Ahoana no ahafahana manao izany? Amin’ny fanoherana mafy ireo fitaomana tsy kristianina ary amin’ny fananana fiaretana tsy azo hozongozonina eo amin’ny lalan’ny tsy fivadihana sy ny fifikirana amin’Andriamanitra. Asehon’ny Baiboly ho toy ‘ny marina izay tonga lehibe tahaka ny sedera any Libanona’ ireo manao toy izany. — Salamo 92:12, fanamarihana ambany pejy.