Hihaino ny Fampitandremana ve Ianao?
TAMIN’NY 19 May 1997, dia nifofofofo namely ny distrikan’i Chittagong, any Bangladesh, ny sikilaonina iray. Voatondro ho nanakaiky ny 250 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ny rivotra tao amin’ny tanànan’i Cox Bazaar. Tany amin’ireo faritra ambanivohitra, dia nanjavona tsotra izao ireo trano bozaka, ka velaram-potaka kely efamira sisa no nahalalana ny toerana nisy azy ireo taloha. Voaongotra ny hazo sy ny andrin-telefaonina; tapaka roa toy ny tahon’afokasoka ny hafa. Notaterin’ny lohateny iray tao amin’ny gazety Bhorar Kagoj fa olona 105 no namoy ny ainy tamin’ilay sikilaonina.
Nampahafantarin’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro tokony ho adiny 36 mialoha ny tokotokony ho lalan’ilay tafio-drivotra. Tsy isalasalana fa ain’olona maro no voatsimbina satria olona ana hetsiny maro no nandeha nialokaloka tany amin’ireo trano fialofana vita tamin’ny rihibato.
Efa hatramin’ny zato taona mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah no nampahafantatra ny amin’ny loza aman’antambo iray mitatao, izay handrava lavitra noho izay mety ho sikilaonina. Antsoin’ny Baiboly hoe “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina” izy io. (Joela 3:4). Raha mihaino ireo hafatra fampitandreman’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly isika, dia mety ho afa-mandositra ny fandringanana amin’io andro io. — Zefania 2:2, 3.
Tsia, tsy mpaminany mpilaza loza akory ny Vavolombelon’i Jehovah. Hafatra mitondra fanantenana no entiny. Irin’izy ireo ny hanampy ny olona hahafantatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanaisotra tsy ho ela amin’ny tany ny tsy rariny rehetra. Milaza toy izao amintsika ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:10, 11.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
WHO/League of Red Cross