FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/12 p. 3-4
  • Tsy Hita Soritra Intsony Amin’ny Krismasy ve i Kristy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Hita Soritra Intsony Amin’ny Krismasy ve i Kristy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Noely — fety iray mampidi-doza ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny Niandohan’ny Krismasy Maoderina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fomba Amin’ny Krismasy​—Fomba Kristianina Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Inona no Tena Mahavariana ny Olona Rehefa Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/12 p. 3-4

Tsy Hita Soritra Intsony Amin’ny Krismasy ve i Kristy?

“Tsy vitako mihitsy ny mankasitraka ireo lanonana amin’ny fotoan’ny Krismasy. Amiko izy ireny dia toa tsy mifanaraka velively amin’ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany.” — Mohandas K. Gandhi.

OLONA maro no tsy hiray hevitra velively amin’i Gandhi. ‘Inona koa no mba tena fantatry ny filoham-panjakana hindoa momba ny fety kristianina iray?’, hoy izy ireo mety hanontany tena. Tsy maintsy ekena anefa fa niely maneran-tany ka nahatratra ny karazan-kolontsaina rehetra ny Krismasy. Toa hita hatraiza hatraiza io fety io isaky ny volana Desambra.

Ohatra, aziatika 145 tapitrisa eo ho eo no mankalaza Krismasy, mihoatra 40 tapitrisa noho ny tamin’ny folo taona lasa izay. Ary raha ny lafiny tsy ara-pivavahana momba ny Krismasy amin’ny andro ankehitriny no tian’i Gandhi holazaina tamin’ny hoe “lanonana”, izany hoe ny fimatimatesana hividy zavatra be dia be izay voamaritsika rehetra, dia sarotra ny handa fa io lafiny amin’ilay fankalazana io no matetika misongadina indrindra. Nanamarika toy izao ny gazetiboky Asiaweek: “Saika fisehoan-javatra tsy ara-pivavahana ranofotsiny (fivarotan-javatra an-tsinjarany voalohany indrindra) ny Krismasy eto Azia, manomboka amin’ireo jiron’ny fety ao Hong Kong ka hatramin’ireo hazo Noely mijoalajoala any amin’ny hotely Yuletide any Beijing sy ireo fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy, hita ao an-tanànan’i Singapour.”

Tsy namela soritra ny amin’i Kristy intsony ve ny fankalazana Krismasy amin’ny andro ankehitriny? Tamin’ny fomba ofisialy no efa nankalazana ny 25 Desambra, nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i., rehefa notondroin’ny Eglizy Katolika Rômanina ho fankalazana ara-pivavahana ny nahaterahan’i Jesosy io andro io. Araka ny fitsapan-kevitra iray natao tany Etazonia vao haingana anefa, dia 33 isan-jato monja tamin’ireo olona nanontaniana no nihevitra fa ny fahaterahan’i Kristy no lafin-javatra lehibe indrindra amin’ny Krismasy.

Ahoana ny hevitrao? Mihevitra ve ianao indraindray fa ao anatin’ireo fanaovana dokam-barotra sesilany, ny fividianana fanomezana mampisomebiseby, ny fandravahana ny hazo Noely, ny fandaminana sy ny fanatrehana ireo fiaraha-mikorana, ary ny fandefasana ireo cartes firarian-tsoa, ao anatin’izany rehetra izany dia toy ny hoe hadino i Jesosy?

Maro no toa mihevitra fa ny fomba iray hamerenana an’i Kristy ao amin’ny Krismasy dia ny fampisehoana ny Nahaterahany, na ny tranon’omby. Azo inoana fa efa nahita sary vongana mampiseho an’i Jesosy zazakely ao anaty fihinanam-bilona ianao, otronin’i Maria, i Josefa, mpiandry ondry vitsivitsy, “olon-kendry telo”, na “mpanjaka telo”, sy biby fiompy vitsivitsy ary mpitazana vitsivitsy. Heverina matetika fa mampahatsiahy ny olona ny tena hevitry ny Krismasy izany fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy izany. Araka ny U.S. Catholic, “dia tsy misy na dia filazantsara iray aza afaka manome sary mazava kokoa noho ny fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy. Antitranterin’izy io koa ny tsy maha ara-tantara ireny fitantarana ireny”.

Fa ahoana no toa anehoan’ny fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy fa tsy ara-tantara ireo fitantaran’ny Filazantsara ao amin’ny Baiboly? Tsy maintsy ekena fa ireo sary sokitra madinika miloko tsara tarehy dia mahatonga hihevitra fa angano na tantara noforomporonina fotsiny, ny fahaterahan’i Kristy. Moanina iray, tamin’ny taonjato faha-13, no voalohany nanao izay hitiavan’ny olona ireny fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy ireny, ary zavatra tsotsotra ihany ilay izy tamin’izany. Amin’izao andro izao kosa, tahaka ireo zavatra hafa maro mifandray amin’io fety io ihany, dia nanjary ahazoam-bola be ilay izy. Any Naples, Italia, dia misy magazay mitandahatra mivarotra mandavantaona, sary vongana na presepi fanaovana fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy. Ny sasany amin’ireo sary be mpitia kokoa dia tsy mampiseho olona avy ao amin’ny fitantaran’ny Filazantsara, fa olo-malaza amin’izao andro izao, toa an-dry Printsy Vavy Diana, sy Mamera Teresa ary Gianni Versace, mpanao modelin’akanjo. Vita amin’ny sôkôla, paty, na akorandriaka mihitsy aza ny presepi any an-toeran-kafa. Azonao ny antony mahasarotra ny hahazoana an-tsaina tantara iray ao amin’ireny fampisehoan-javatra ireny.

Ahoana àry no ahafahan’ireny fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy ireny manome ‘sary iray mazava kokoa noho izay azon’ny filazantsara na iza na iza omena’? Moa ve tsy tantara marina ny fitantaran’ny Filazantsara? Na dia ireo olona be fisalasalana mafy hatoka aza dia voatery miaiky fa tena nisy sady ara-tantara i Jesosy. Koa tsy maintsy ho nisy àry fotoana naha tena zazakely azy, dia zazakely iray teraka tao amin’ny toerana iray tena nisy. Tokony hisy fomba tsara kokoa hahazoana sary mazava ny amin’ny fisehoan-javatra nanodidina ny Nahaterahany, noho ny hoe mijery fampisehoana an’izany fotsiny!

Misy io fomba tsara kokoa io, raha ny marina. Nisy mpahay tantara roa nanoratra fitantarana tsy nifampiankina, momba ny nahaterahan’i Jesosy. Raha tsapanao indraindray fa tena tsy asiam-piheverana i Kristy amin’ny fotoan’ny Krismasy, nahoana raha mandinika ireo fitantarana ireo ny tenanao manokana? Ao no hahitanao, tsy hoe angano na tantara tsy tena nisy akory, fa tantara iray mahavariana — ny tena tantaran’ny nahaterahan’i Kristy.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Sisiny eo amin’ny pejy faha-3-6, 8 ary 9: Fifty Years of Soviet Art

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara