“Manan-javatra Maro Tokony Hianarana avy Amin’izy Ireo Isika Katolika”
NATAON’NY mpampianatra iray any Bari, Italia, nandritra ny nampianarany momba ny tantaran’ny fivavahana tao amin’ny lise, io fanamarihana momba ny Vavolombelon’i Jehovah io. Nilaza tamin’ireo mpianatra ilay mpampianatra fa hampiasa vidéocassette ho fitaovam-pampianarana izy. Rehefa nahare izany ny iray tamin’ireo mpianatra, antsoina hoe Roberto, izay 18 taona, dia nanolo-kevitra hampiditra ny fivavahany tao amin’ilay resaka. Natolony an’ilay mpampianatra ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Nanaiky ny fanoloran’i Roberto izy, ary nahita ilay vidéo ny kilasy iray manontolo nisy mpianatra tokony ho 30. “Nampiaiky volana ny rehetra ny firaisan-tsaina, sy ny fahaiza-mandamin-javatra, ary ny fitiavana lalina izay manjaka eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy i Roberto. “Vao mainka aza talanjona izy ireo nahafantatra fa Ny Tilikambo Fiambenana 40 tapitrisa sy Mifohaza! 36 tapitrisa no atao pirinty isam-bolana.”
“Tsy nihevitra anareo ho voalamina tsara toy izao izahay”, hoy ny fanamarihan’ny maromaro tamin’ny mpiara-mianatra tamin’i Roberto, rehefa avy nijery ilay vidéo. Momba ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nilaza toy izao tamin’ireo mpianatra ilay mpampianatra: “Diniho ange ny fomba anosehan’ny finoany azy ireo ho tafaray sy ho voalamina erỳ e. Manan-javatra maro tokony hianarana avy amin’izy ireo isika Katolika.” Nanao zavatra betsaka mba hampisy fahatakarana tsara kokoa ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay vidéo sy ny fiaraha-midinika nataon’ny mpianatra nanaraka izany.