Mino Izay Ampianariny ve ny Mpitondra Fivavahana Rehetra?
VAO nody mandry ny vadin’ilay vehivavy. Manazava ny pretrany fa sady tsy olona tena tsara fanahy mba ho any an-danitra avy hatrany ilay vadiny, no tsy tena ratsy fanahy koa ka halefa any amin’ny afobe mirehitra. Koa voatery miaritra fanasaziana àry ny vadiny mandra-pahatongan’ny fotoana hahafenoany fepetra ho any an-danitra, araka ny filazan’ilay pretra. Manakarama ilay pretra ilay vehivavy mba hanao vavaka, sao mba mety ho tafavoaka haingana kokoa avy ao amin’ny afofandiovana ny vadiny. Afa-po amin’izay ilay vehivavy maty vady, satria heveriny fa mino ny zavatra inoany amim-pahatsorana koa, ilay pretra.
Heverinao ve fa ho diso fanantenana ilay vehivavy maty vady, raha fantany fa tsy tena mino ny fanasaziana aorian’ny fahafatesana akory ilay pretrany? Betsaka ny olona sahiran-tsaina rehefa mahafantatra fa tsy mino ny maro amin’ny zavatra ampianariny ny mpitondra fivavahana maro be. Nanambara toy izao ny National Catholic Reporter, rehefa niresaka momba izay nantsoiny hoe “zava-manahirana lalina kokoa noho ny fitondran-tena ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy, mahakasika ny mpitondra fivavahana”: “Eo anivon’ny mpitondra fivavahana amin’ny ankapobeny, dia maro no nitsahatra tsy nino ny fisian’Andriamanitra, na ny foto-pampianarana momba ny valisoa sy ny sazy, na ny fitsanganana amin’ny maty, (...) hany ka nanjary tapany tsy misaraka amin’ny fomba fihevitr’izy ireo izany tsy finoana izany, izay mitovitovy amin’ny zavon-tsetroka.”
Miatrika olana saro-bahana mitovy amin’izany koa ny fivavahana hafa. Ny fanadinadinana natao tamin’ireo vikeran’ny Eglizy Anglikanina dia nampiharihary fa maro no “tsy mino ireo lafiny fototra amin’ny finoana kristianina mahazatra toy ny fiterahan’ny virjiny, sy ireo fahagagana nataon’i Jesosy ary ny fiverenan’ny mesia fanindroany”, hoy ny tatitra nataon’ny Canberra Times, any Aostralia.
I George R. Plagenz, mpanoratra momba ny fivavahana, dia nanontany mikasika ny fomba nahafahan’ny mpitondra fivavahana iray nanonona tamim-pieritreretana madio, ny fanekem-pinoana izay tsy inoan’ny tenany akory. Nilaza ny mpitondra fivavahana iray fa ovany fotsiny ireo teny fanombohan’ilay fanekem-pinoana hoe “Izaho mino”. Hoy izy: “Atomboko amin’ny filazana hoe ‘IZY IREO mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha (...)’.” Nantsoin’i Plagenz hoe “ny fitaka lehibe indrindra eto amin’ny tanintsika” izany fihatsarambelatsihy izany.
Mampalahelo fa mandiso fanantenana olona maro ny amin’ny fivavahana amin’ny ankapobeny izany tsy finoana sy fihatsarambelatsihin’ny mpitondra fivavahana izany. Tsy io ihany anefa no lafin-javatra ara-pivavahana manahiran-tsaina amin’izao andro izao. Nampianarina ny ankabeazan’ny mpiangona fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Ho gaga ve izy ireo raha mahafantatra fa tsy ampianarina ao amin’ny Baiboly ny sasany amin’ireo foto-pampianaran’ny eglizy nekena hatramin’ny ela be? Handinika ohatra iray ny lahatsoratra manaraka.