Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Aza Miahotra Manambara ny Vaovao Tsara
TAMIN’NY fotoana voalohany nitsidihan’ireo Eoropeanina mpizaha tany mbola tsy fantatra ny Hoalan’i Venezoela sy ny Farihin’i Maracaibo, dia feno trano bongo kely nitafo bozaka sady nisy tongony teo amin’ny rano marivo, ny moron-tsiraka. Nampahatsiaro an’i Venise, any Italia, izay nisy olona nanorina ny tranony teny amoron-drano, izany zavatra taza-maso izany. Izany no antony niantsoan’ireo mpizaha tany mbola tsy fantatra, niteny espaniola, an’ilay faritra hoe Venezoela. “Venise kely” no dikan’io anarana io.
Misy fandaharam-panorenana karazany hafa, dia fandaharana ara-panahy, ao amin’io tany kanto io, amin’izao andro izao. Revo amin’ny famafazana voan’ilay Fanjakana, isaky ny misy fahafahana tsara hanaovana izany, ny Vavolombelon’i Jehovah any. Mitondra fiderana lehibe ho an’ny “Tompon’ny vokatra”, dia i Jehovah Andriamanitra, ny vokatra ara-panahy azo amin’izany. — Matio 9:37, 38.
Tamin’ny fotoana nitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany ny kôngregasiôna iray tao amin’ny fanjakan’i Zulia, any avaratrandrefan’i Venezoela, dia nanao fandaharana ny Vavolombelona teo an-toerana mba hitsidihan’izy mivady an’ilay nosy kely teo akaiky, antsoina hoe Toas. Nilahatra mba hamonjy sambo nandeha vao maraina be hankeny amin’ilay nosy izy ireo. Teo am-piandrasana dia nanipy hevitra tamin’ilay anabavy mpisava lalana namany, i Mery vadin’ilay mpiandraikitra mpitety faritany, mba hiresaka tamin’ny mpiasa sasany tao amin’ilay sambo. Nanaiky ilay anabavy mpisava lalana.
Nanatona an’ilay mécanicien àry i Mery ka nampiseho ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nasehony azy ilay toko hoe “Fanorenana Fianakaviana Izay Manome Voninahitra An’Andriamanitra”. Toa nankasitrahany ilay izy. Nohazavain’i Mery avy eo fa azon’ilay lehilahy natao ny hahazo fampianarana Baiboly any an-tokantranony ka io zavatra vita an-tsoratra io no hampiasaina amin’izany. Noraisiny ilay boky, ary nisy fandaharana natao mba hisian’ny olona hitsidika azy tany an-tranony.
Fotoana fohy tatỳ aoriana, dia nisy fivoriambe manokana iray andro tao amin’ilay faritra. Akory moa ny hagagan’i Mery nahita tao ilay mécanicien, Senor Nava, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany mirahavavy kely! Nanontanian’i Mery an’ilay vehivavy izay mba eritreriny momba ny fianaram-pianakavian’izy ireo. Faran’izay nanaitra ny valin-teniny.
“Velom-pisaorana an’i Jehovah aho noho ny nianaranay ny fahamarinana”, hoy izy. Avy eo dia hoy ny nohazavainy: “Tamin’iny fotoana niresahanao tamin’ny vadiko iny, dia vao avy nandao ahy mihitsy izy ka lasa nanaraka vehivavy hafa. Mpisotro toaka be koa izy. Indraindray, rehefa mamo izy dia miteny ratsy, ary zavatra tsy tian’ny fiaraha-monina kely tao amin’ilay nosy izany. Nanao spiritisma koa izy. Ny fahalalana ara-baiboly azony tamin’ny fianarana anefa dia nanampy azy hanao fiovana goavana teo amin’ny fiainany. Nialany ireo fanaony maloto rehetra. Noho izany fiovana izany, dia tena niaiky volana mihitsy ireo ray aman-dreniny izay Katolika. Faly izy ireo satria nanjary vady sady raim-pianakaviana mendri-pitokisana izao izy.”
Natao batisa i Senor Nava tamin’ny 1996 ary manompo amin’ny mahaminisitra manontolo andro, amin’izao fotoana izao. Natao batisa tamin’ny 1997 i Jenny vadiny. Niaiky volana aoka izany ny ben’ny tanàna noho ny fiovana hita teo amin’ity mécanicien-tsambo ity, hany ka nangataka fampianarana Baiboly koa ny tenany. Faly erỳ ireo anabavy noho izy ireo tsy niahotra nanambara ny vaovao tsara, teo am-pilaharana handray ny sambo fitana, tamin’iny maraina iny!
[Sary, pejy 7]
Nitondra vokatra mahafaly ny fizarana ny vaovao tsara tamin’ny mécanicien-tsambo iray