FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/9 p. 32
  • Ilay Ady Nandrava ny Taonjato Faha-19

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Ady Nandrava ny Taonjato Faha-19
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/9 p. 32

Ilay Ady Nandrava ny Taonjato Faha-19

1914

NANORATRA toy izao i Charley Reese, mpanao gazety ho an’ny The Orlando Sentinel, rehefa nisaintsaina momba ny arivo taona vaovao ho avy: “Mbola tsy mifarana ilay ady tamin’ny 1914-1918, izay nandrava ny taonjato faha-19.” Inona no tiany holazaina tamin’izany? Hoy ny fanazavany: “Tsy ny kalandrie akory no mametra ny fizotran’ny tantara. Tsy nifarana tamin’ny 1 Jan. 1901 ny taonjato faha-19, izay faritana ho fitambarana finoana sy fiheverana sy fihetsika ary fitondran-tena. Tamin’ny 1914 kosa izy io no nifarana. Tamin’io daty io ihany koa no nanombohan’ny taonjato faha-20, izay faritana amin’izany fomba izany ihany. (...)

“Saika avy tamin’iny ady iny avokoa ireo ady rehetra nampanahy antsika nandritra ny androm-piainantsika. Saiky teraka avy tamin’iny ady iny avokoa ireo fironana ara-tsaina sy ara-kolontsaina niainantsika. (...)

“Heveriko fa matoa nitondra izany fanimbana izany izy iny, dia satria narodany ilay finoana hoe afaka mifehy izay ho anjarany Raolombelona. (...) Tsy nino izany intsony ny olona noho iny ady iny. Na ny andaniny na ny ankilany dia samy tsy nisy nihevitra hoe ho toy iny ny hiafaran’ilay izy. Nandrava ny empira britanika sy frantsay izy iny, ary nandripaka ny lehilahy britanika sy frantsay ary alemà sangany indrindra tao amin’ny taranaka iray manontolo. (...) Tao anatin’ny vanim-potoana fohy, dia nahafaty olona 11 tapitrisa izy iny.”

Efa 120 taona mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah no nanondro ny taona 1914 ho ny faran’ilay vanim-potoana nantsoin’i Jesosy hoe “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”. (Lioka 21:24, NW ). Tamin’io taona io, dia napetraka teo amin’ny seza fiandrianana ho Mpanjakan’ilay Fanjakana any an-danitra i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty sy nomem-boninahitra. Amin’ny alalan’io Fanjakana io, dia hanaisotra tanteraka ny fahoriana rehetra izay nampiavaka itỳ taonjato itỳ i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 37:10, 11; Mpitoriteny 8:9; Apokalypsy 21:3, 4.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

U.S. National Archives photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara