Baiboly Vaovao Amin’ny Fiteny Grika Maoderina
ANDRO manokana ho an’ireo olona tafavory tao amin’ilay Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra” tany Gresy, ny 23 Aogositra 1997. Tamin’ny fifaranan’ny fotoam-pivoriana ny tolakandro, dia nisy famoahana Baiboly vaovao, ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny fiteny grika maoderina. Teo no ho eo ihany dia sady latsa-dranomaso ireo mpanatrika nitolagaga no nitsangana nanao tehaka nirefodrefotra tsy nisy farany!
Fandikan-tenin’ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19, izay nataon’ny mpitondra fivavahana ôrtôdôksa grika iray no nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1905. Tena nahasoa azy ireo nandritra ny taona maro io Baiboly io. Hatramin’ny fotoana sasantsasany anefa, dia tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa nilaina ny fandikan-tenin’ny Baiboly izay araka ny marina kokoa sy mora azo kokoa. Faly izy ireo nahazo ny Soratra Grika Kristianina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny fiteny grika, tamin’ny 1993. Dibo-kafaliana anefa izao ny fon’izy ireo nahazo ny Baiboly manontolo amin’ny fiteny grika maoderina.
Ny Vavolombelona iray nahay nankasitraka dia niantso ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao hoe “tononkalo iray, tsio-drivotra malefaka mitondra ny feon’i Jehovah, izay sambany vao azonay mazava amin’ny fiteninay ny heviny”. Nanomboka namaky ny Baiboliny vaovao ny sasany raha vao tonga tany an-trano. Nisy mpamonjy fivoriambe nientam-po iray tsy namela ny Baiboliny raha tsy tamin’ny iray ora maraina, rehefa vitany ny famakiana ny bokin’i Joba manontolo!
Vokatry ny asa mafy fito taona teo ho eo io Soratra Masina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny grika io. Hoy ny taratasy iray voaray: “Afaka matoky ianareo fa hanampy be dia be antsika eo amin’ny fanampiana ireo olona tso-po hianatra momba an’i Jehovah ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.”