FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/9 p. 29
  • “Hazony Mafy Izay Anananareo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Hazony Mafy Izay Anananareo”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitarika ho Amin’ny Fandrosoana ny Fikirizana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Iza no Tokony Hankatoavina?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Fanompoana eo Ambanin’ny Tanana Be Fitiavan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/9 p. 29

“Hazony Mafy Izay Anananareo”

Nisy antokona Vavolombelona nitory tany amin’ny iray amin’ireo nosy 30 mahaforona ny Nosy Cyclades, any Gresy. Rehefa nitory teo amin’ny lalana iray ny roa tamin’izy ireo, dia tojo polisy iray izay nilaza taminy fa tokony hanaraka azy any amin’ny paositry ny polisy izy ireo. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo tany amin’ilay paositry ny polisy, dia naneno ny telefaonina. Ny pretra tao amin’ilay tanàna kely ilay izy. “Reko fa misy Vavolombelon’i Jehovah tonga eto an-tanàna”, hoy izy. “Ia, misy roa eto amiko izao”, hoy ny navalin’ilay polisy. “Ho avy any izao ankehitriny izao aho.” Nanjary somary velom-panahiana ireo rahalahy noho ny fandehan’ilay resaka teo.

Raha vao tonga anefa ilay pretra dia nitsiky, nandray tanana azy ireo ary nipetraka tamin’ny seza teo akaikin’ilay polisy. Nanjary nila ady ilay polisy rehefa nandeha ny resaka, fa ilay pretra kosa nahalala fomba sy nisaina hatrany. Nilaza tamin’ilay polisy izy mba tsy hanao tsinontsinona ny Vavolombelona, sady nanampy teny hoe: “Afaka mamaly ny fanontaniana rehetra izy ireo, satria mahazo fampiofanana any amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Ho mora kokoa ny handrodanana izao tontolo izao noho ny hampiovana finoana ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Raha mbola teny am-pitoriana ireo rahalahy ny ampitso maraina, dia nifanena tamin’ilay pretra indray, ka nanontany azy hoe: “Nahoana ianao no tsara fanahy taminay erỳ nandritra ilay resaka tany amin’ny paositry ny polisy?” Nolazain’ilay pretra tamin’izy ireo fa nifankahalala tamin’ny Vavolombelona maro tao Sýros ny tenany, ary efa an-taonany maro no namakiany ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Raha ny marina, dia efa imbetsaka ihany no nitondrany gazety Ny Tilikambo Fiambenana nafenina tao anatin’ny valopy lehibe, ka nampiasany ilay izy mba hanaovana toriteny tany am-piangonana. Hoy ny fanamarihana nataony: “Heveriko fa tsy hisy ilana azy ny fiainana raha tsy nanana ireo zavatra vita an-tsoratrareo aho. Izany no nanome fanantenana ahy.”

Tatỳ aoriana, dia hoy ilay pretra tamin’ireo Vavolombelona: “Tsy maintsy milaza izao zavatra izao aminareo aho. Hazony mafy izay anananareo. Aza manao fahadisoana ka hoe hiala amin’io. Izao lazaiko aminareo izao no toriteny tsara indrindra nataoko hatramin’izay, ary tsy hoe an-tendro-molotra fotsiny no ilazako izany, fa amin’ny foko manontolo mihitsy.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara