Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Fanarahana Amim-panetren-tena ny Lalan’i Jehovah
“MITADIAVA an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany”. Mbola atolotra ny olona maneran-tany amin’izao andro izao ihany io fanasana io, izay nambaran’i Zefania, mpaminany hebreo, maherin’ny taonjato 26 lasa izay. (Zefania 2:3). Inona no dikan’ny hoe mitady an’i Jehovah? Ny fanaovana izany dia miantomboka amin’ny fandraisana fahalalana an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina sady velona. — Jeremia 10:10; Jaona 17:3.
Tsy mahatonga toeram-pankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra amin’izao fotsiny anefa ny fandraisana fahalalana. Mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, dia tsy maintsy mampihatra io fahalalana io koa ny olona iray. Amin’ny fomba ahoana? Rehefa mampifanaraka amim-panetren-tena ny fisainany sy ny fitondran-tenany amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra izy, araka ny asehon’itỳ fitantarana manaraka avy any Suriname itỳ. — Efesiana 4:22-24.
Mpampianatra i Eddy teo amin’ny faha-35 taonany, ary niriny mafy ny hahazo valin-teny mahafa-po tamin’ny fanontaniana toy ny hoe: ‘Inona no anjara asan’ny fivavahana eo amin’ny fitambaran’olona amin’izao andro izao?’, sy hoe ‘Mifanaraka amin’ny siansa ve ny Baiboly izay boky efa tranainy?’ Rehefa nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka namaly ireo fanontaniana ireo, niorina tamin’ny Baiboly, dia nanongilan-tsofina i Eddy. Nandray an-tsoratra mihitsy aza izy mba hanamarinana ny fanazavana nataon’ireo Vavolombelona.
Talohan’izay i Eddy dia nankany amin’ny fivavahana iray izay nampianatra azy fa ny olombelona dia vokatra farany tamin’ilay fanovana kely nataon’Andriamanitra tamin’ny rajako. Koa rehefa nanolotra azy ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création? ny Vavolombelona, dia nandray azy io avy hatrany izy. Nanaitra ny sainy ny fanazavana mazava nomen’ilay boky momba ny fitantaran’ny Baiboly ny famoronana. Tamin’ny fianarany ny Baiboly dia nanjary resy lahatra izy fa nahita ny fahamarinana!
Niatrika fitsapana anefa izy tamin’izay. Fomba fiaina tao amin’ilay trano nipetrahan’i Eddy ny halatra sy ny fanaovana ny tsy marina. Noho izany, dia nipetraka taminy izao safidy izao: na hanaraka ny fomba fiaina ratsin’ireo mpiray efitrano taminy, na hanary izany fitondran-tena izany ka hanana fomba fiaina izay manome voninahitra an’Andriamanitra. Naneho fahendrena i Eddy ka nifidy itỳ farany. Notapahiny ny fifaneraserany ratsy rehetra, ary nifindra trano izy. — 1 Korintiana 15:33, 34.
Nandroso haingana i Eddy rehefa avy nanomboka nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nanatsara ny fomba fitafiny sy ny fisehoany ankapobe koa izy ary nanomboka niresaka tamin’ny havany aman-tsakaizany ny amin’izay nianarany. Nitombo ny fifaliany tatỳ aoriana, rehefa nekena handray anjara tamin’ny fitoriana ny “vaovao tsara” ampahibemaso izy. (Matio 24:14, NW; Asan’ny Apostoly 20:20). Tamin’ny Desambra 1996, dia tonga ilay andro nandrasana hatramin’ny ela rehefa nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano izy.
Isan-taona, dia misy olona tso-po ana hetsiny maro manaiky ilay fanasana ‘hitady an’i Jehovah’. Rehefa manao izany izy ireo dia mahita ny fahamarinan’ny Ohabolana 22:4 manao hoe: “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.” Eny, rehefa manaraka amim-panetren-tena ny lalan’i Jehovah ireo tia ny fahamarinana, dia mahazo izany fitahiana izany dieny izao, ary miandrandra amim-patokiana fitahiana mandrakizay eto an-tany eto. — Salamo 37:29.
[Sarintany, pejy 18]
Ranomasin’i Caraïbes
Suriname
Guyana
Guyane
Brezila
[Sary nahazoan-dalana]
Gilaoby: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.