“Ohatra ny Amin’ny Firaisan-kina sy ny Firahalahiana”
Toy izany no fomba nilazalazan’ny vehivavy iray izay nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa avy nidonam-pahoriana izy, tamin’ny nahafatesan’ny havany. Hoy ny fanazavany:
“Amin’ny anaran’ny fianakaviako sy ny tenako manokana, dia tiako ny hisaotra etoana ireo Vavolombelona ao amin’ny kongregasiona italianina ao Fribourg, any Alemaina. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviako, afa-tsy i Antonio, anadahiko sy i Anna vadiny, ihany. Efa hatramin’ny ela izahay no nanakiana ny safidin’izy ireo ara-pivavahana, na dia nanaja izany mandrakariva aza izahay.
“Ankehitriny anefa, dia voatery niova hevitra izahay. Raha ny marina, dia nahita ohatra ny amin’ny firahalahiana sy ny fitiavana izay tsy ho nampoizinay mihitsy izahay.
“Nampalahelo fa maty aloha be noho ny lozam-pifamoivoizana, i Anna. Koa satria mipetraka atỳ Italia izahay, dia tsy afaka nijanona teo anilan’i Antonio anadahiko sy ireo zanany, afa-tsy fotoana voafetra ihany. Tonga nanampy azy anefa ireo Vavolombelona rahalahiny. Nanampy azy izy ireo tamin’ny fahatongavana teo, tamin’ny teniny, tamin’ny finoany, tamin’ny fanohanany ara-batana sy ara-tsaina ary ara-bola. Koa satria tsy afaka misaotra ilay kongregasiona ny tenako manokana, dia tiako ny hisaotra azy ireo amin’ny alalan’ny gazetinareo, noho ny ohatra nasehon’izy ireo raha ny amin’ny firaisan-kina sy ny firahalahiana izay tsy hohadinoinay.”
Ankasitrahana ny fanamarihana feno hatsaram-panahy nataon’io vehivavy io. Araka ny nomarihiny, dia fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah. (1 Petera 2:17). Mamboly firaiketam-po mafy eo amin’izy samy izy, izy ireo, satria fantany fa ny fitiavana dia “fehy fampiraisana tonga lafatra”. (Kolosiana 3:14, NW ). Mety hanjo antsika rehetra ny tarehin-javatra faran’izay mampahonena, kanefa na dia ao anatin’izany aza, dia mifikitra amin’Andriamanitra sy ny vahoakany ny Vavolombelon’i Jehovah. — Ohabolana 18:24; Mpitoriteny 9:11; Jaona 13:34, 35.