FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/7 p. 32
  • Manindrona sa Manasitrana ny Teninao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manindrona sa Manasitrana ny Teninao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/7 p. 32

Manindrona sa Manasitrana ny Teninao?

AO ANATIN’IZAO fotoan-tsarotra izao, dia tsy mahagaga raha maro no “vaky fo” (NW ) sy “torotoro fanahy”. (Salamo 34:18). Ilaina foana, noho izany, ny ‘miresaka amin’ny fomba mampionona amin’ireo fanahy ketraka” sy ny ‘manohana ny malemy’, araka ny tenin’ny apostoly Paoly. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Ahoana anefa raha toa ny mpiara-belona amintsika ka manafintohina antsika na manao zava-dratsy lehibe? Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety hihevitra isika fa manana ny rariny raha manitsy an-kitsirano ilay olona amin’ny fomba henjana. Tsara anefa ny mitandrina. Ny torohevitra, na dia rehefa marim-pototra aza, dia mety hanimba raha omena amin’ny fomba henjana. Hoy ny ambaran’ny Ohabolana 12:18: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra”.

Noho izany, rehefa mikasa hanome fanitsiana na handamina tsy fifankahazoan-kevitra isika, dia tena zava-dehibe ny hitadidiana ny tapany faharoa amin’ny Ohabolana 12:18, manao hoe: “Ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” Aoka ianao hanontany tena foana hoe: ‘Raha mila fanitsiana aho, ahoana no ho tiako hitondrana ahy?’ Mora kokoa ho an’ny ankamaroantsika ny mandray fampaherezana, fa tsy fanakianana. Koa aoka àry ianao tsy hitsitsy teny fiderana. Mazàna izany no hanosika ilay nanafintohina mba hihatsara, ary azo inoana kokoa fa hahavelom-pankasitrahana azy izay fanampiana rehetra atolotra azy.

Tena zava-dehibe tokoa ny hanalefahantsika mandrakariva ny tenintsika, amin’ny fanehoana fahalemem-panahy! Ny teny manasitrana dia hahatonga ny mpihaino hanana fihetseham-po tahaka ny mpanao salamo, izay nanoratra hoe: “Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahalemem-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handa izany ny lohako”. — Salamo 141:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara