Fianarana avy Amin’ny Fahadisoana Tamin’ny Lasa
MAHARITRA mandrakizay sy tsy azo ovana ny lalàna ara-pitondran-tenan’ny Mpamorona antsika. Noho izany antony izany, dia mbola mihatra amin’izao andro izao ny foto-pitsipika ao amin’ny Galatiana 6:7, manao hoe: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” Marina fa mety handà ny fampamoahan’Andriamanitra ny olona iray, nefa mitoetra ho tsy miova ny fitsipik’Andriamanitra. Amin’ny farany, dia tsy misy olona ho afa-miala amin’ny vokatry ny asany.
Ahoana ny amin’ny olona iray izay naniasia teo amin’ny fiainana ary avy eo dia niova, ka lasa mpanompon’Andriamanitra? Mety mbola ho voatery hizaka ny vokatry ny fomba fiainany teo aloha ihany izy. Izany anefa tsy midika fa tsy namela ny helony Andriamanitra. Nitondra loza betsaka teo amin’ny fiainany ny fanitsakitsaham-bady nataon’i Davida Mpanjaka tamin’i Batseba. Tsy afaka nandositra izany izy. Nibebaka anefa izy, ary nahazo ny famelan’Andriamanitra heloka. — 2 Samoela 12:13-19; 13:1-31.
Efa mba nahatsapa tena ho ketraka ve ianao, nizaka ny vokatry ny fahadisoana nataonao? Raha jerena araka ny tokony ho izy, ny fahatsapana nenina dia afaka mampahatsiahy antsika mba ‘hitandrina tsy hivily ho amin’ny ratsy’. (Joba 36:21). Eny, afaka manampy antsika hanalavitra ny famerenana fahadisoana iray ny fahatsapana nenina. Ny mbola tsara kokoa aza dia hoe nampiasa ilay zavatra hitany noho ny fahotana nataony i Davida mba hitondrana soa, tsy ho an’ny tenany ihany, fa ho an’ny hafa koa. Hoy izy: “Hampianatra ny olon-diso ny làlanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.” — Salamo 51:13.
[Sary, pejy 7]
Nandray fianarana avy tamin’ny fahotany tamin’i Batseba i Davida