FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/6 p. 8
  • Fanararaotana ny Fahafahana Rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanararaotana ny Fahafahana Rehetra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpianatra kristiana noderaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • “Ny tanan’i Jehovah nomba azy ireo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/6 p. 8

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Fanararaotana ny Fahafahana Rehetra

FANTATRA maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny asa fampianarana Baiboly ataony. Kanefa izy ireo koa dia mitarika fandaharana izay mitondra soa fanampiny ho an’ny fiaraha-monina. Noraisina tsara izany asa fanampiana izany, araka ny asehon’ireto zavatra niainana tany Ekoatera ireto.

◻ Naniry handamina fianarana momba ny hasarobidin’ny fianakaviana ho an’ny mpiasany ireo mpitantana tao amin’ny orinasa lehibe iray mpanamboatra fitaratra. Nanasa mompera katolika maromaro mba handray anjara amin’izany ny talen’ny birao mikarakara ny mpiasa, saingy tsy nahazo valiny. Nilaza taminy ny mompera iray fa vitsy aoka izany ireo mompera ampy fahaizana mba hiresaka momba an’io foto-kevitra io, ka azo inoana fa tsy hisy ho afaka hanao izany. Rehefa nahare izany ny mpiasa Vavolombelona iray dia nanao fandaharana mba hitsidihan’ny rahalahy iray, izay niasa matetika tamin’ny faritany be toeram-piasana, an’ilay orinasa.

Ny ampitson’io ihany, dia nanatona an’ilay talen’ny birao mikarakara ny mpiasa ilay Vavolombelona, nanao fanoloran-kevitra momba ilay fianarana. Nalaina avy tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra maro samihafa an’ny Fikambanana Watch Tower ny lisitr’ireo foto-kevitra. Nampiaiky volana an’ilay tale izany. Nifantina foto-kevitra telo ho an’ilay fiaraha-midinika izy — fifandraisan’ny samy olombelona, fitsipika harahina any am-piasana, sy fitsipika harahina ao anatin’ny fianakaviana. Avy eo, dia natao ny fandaharana mba handinihana ilay fanazavana miaraka amin’ireo mpiasa rehetra.

Nozaraina ho antokony fito nisy olona 30 avy ireo mpiasa, taorian’izay dia nisy rahalahy telo ampy fahaizana nanolotra ilay fanazavana tamin’izy ireo. Inona no vokany? Nisy mpiasa maro nangataka ny hotsidihina tany an-tokantranony, ary boky fianarana ny Baiboly 216 no voapetraka. Niaiky volana aoka izany ireo mpitantana, hany ka nangataka izy ireo raha ho afaka hanomana fitohitohizan-dohateny hafa ireo Vavolombelona.

◻ Tsy ela izay, i Ekoatera dia namoaka lalàna izay mamela ny hampianarana momba ny fivavahana any an-tsekoly. Nitsidika ny vehivavy tale tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra iray ny anabavy misionera iray ka nanontany azy ny amin’ny fahombiazan’ilay lalàna vaovao. Nanazava ilay tale fa efa nisy fanandramana natao mba hanombohana fandaharana momba ny fanompoam-pivavahana amin’i Maria, saingy mbola tsy tanteraka foana hatramin’izao. Rehefa nomarihin’ilay anabavy fa mety hiteraka zava-manahirana ho an’ireo ankizy tsy Katolika izany fanompoam-pivavahana izany, dia niombon-kevitra taminy ilay tale. “Kanefa”, hoy ilay misionera, “izahay dia manana fandaharam-pampianarana ireo fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly, izay tsy manery ny olona hanaiky fivavahana iray manokana.” Namaly ilay tale hoe: “Rahoviana ianao no afaka ny ho tonga? Rahafakampitso?” Rehefa avy nasehon’ilay misionera azy ilay boky hoe Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe, dia tapaka fa handinika an’ilay toko hoe “Sambatra ny Tia Fihavanana” izy ireo.

Tamin’ny fiverenany, dia nandany adiny telo nitsidihana kilasy fito samy hafa ilay misionera, niaraka tamin’ilay tale izay nihaino teo. Taorian’ny fotoam-pivoriana niarahana tamin’ny kilasy taona fahadimy dia nilaza toy izao ny iray tamin’ireo mpianatra: “Madama a, aza hadinoina mihitsy ange, ny mitsidika ny kilasy taona fahenina e. Mitady hamono anay izy ireo ka mila ady!” Nanao izao fanamarihana izao ny mpampianatra iray: “Foto-kevitra lehibe aoka izany ny herisetra. Mila fotoana bebe kokoa isika mba handinihana io raharaha io.”

Natao ny fandaharana mba hiverenana hitsidika ilay sekoly, ka handinihana foto-kevitra toy ny fankatoavana sy ny lainga. Hatramin’izao, dia tena mahafa-po ny vokatra azo. Ankehitriny, rehefa mandeha eny amin’ny arabe ilay anabavy misionera, dia mihazakazaka miarahaba azy ireo ankizy, ka mametraka fanontaniana ara-baiboly aminy. Ny hafa mirehareha erỳ mampifankahalala azy amin’ny ray aman-dreniny. Fanampin’izany, dia nisy fampianarana Baiboly ao an-tokantrano natomboka tamin’ny ankizy mpianatra roa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara