FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/5 p. 32
  • Mitondra Fiderana ny Fitondran-tena Tsara dia Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitondra Fiderana ny Fitondran-tena Tsara dia Tsara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/5 p. 32

Mitondra Fiderana ny Fitondran-tena Tsara dia Tsara

NIDERA ny Vavolombelon’i Jehovah ilay gazety italiana hoe La Gazzetta del Mezzogiomo, noho ny namoahan’izy ireo ilay lahatsoratra hoe “Matera la troglodyte”. Niseho tao amin’ny gazety Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Jolay 1997, izay naely be dia be tamin’ny fiteny maro, io lahatsoratra io. Adika amin’ny fiteny 81 ankehitriny ny Mifohaza!, ary maherin’ny 19 tapitrisa no aely maneran-tany. Nanazava ilay gazety italiana fa tsy nisy nahavita ny vitan’ny Mifohaza! tamin’ny fahavaratra (tany amin’ny ila bolan-tany avaratra), “raha ny amin’ny fanaovany dokam-barotra ny lova ara-tantara sy ara-javakanton’ny tanàna[n’i Matera]”.

Nidera ny Vavolombelona ilay gazety italiana, raha ny amin’ilay Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”, natao tany Matera tamin’ny 1997. Nomarihin’ilay lahatsoratra fa vitan’ny Vavolombelona ny “nitaona olona 4 000 hankao amin’ny Kianja XXI Settembre [tao amin’ilay tanàna], tamin’ny aty fahavaratra, sy teo amin’ny hainandro nahamay; nokarakarainy maimaim-poana tanteraka ny fanadiovana, ny fanavaozana ny loko, sy ny fanatsarana fototra an’io foibem-panatanjahan-tena io (indrindra fa ireo kabine), ka ny tenan’izy ireo ihany no niantoka ny lany tamin’ny nividianana ireo fitaovana nilaina”.

Miezaka ny ho mpiara-belona tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 22:37-39). Manaraka izao fananaran’ny Soratra Masina izao koa izy ireo: “Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo”. — 1 Petera 2:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara